Ahoana ity fitotongan’ny sandam-bola Ariary ity ? Aiza ny tena olana eo amin’ny sehatry ny toekarena eto amintsika sy ny toeran’ireo mpampiasa vola vahiny ? Mitondra inona eo amin’ny fihariana sy ny toekarena ny fironan’ny maro amin’ny fanorenana toeram-pialamboly toy ny “Espace” na koa fividianana fiara “Sprinter”, hanaovana fitaterana… ? […]
Politika
Antoko Farimbona : hanohana ny filoha Rajoelina
“Tsy ampy ny fe-potoam-piasana iray ahazoan’ny filohan’ny Repoblika manatanteraka ireo asa fampandrosoana ary hitarihana ny asa amin’ izany eto amin’ny firenena”, hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Farimbona, Razafimaharo Désiré. Ilaina ny fe-potoam-piasana faharoa manaraka hahazoana mananteraka sy mampitohy ireo dingana maro samihafa amin’ny fampandrosana ny firenena. Ny etamazaoro politika rehetra, […]
Mpandrindra ny HVM, Rakotovao Rivo : “Ahafahana manitsy ny lalan-kombana ny toriteny…”
Nanome lesona. Nitondra ny heviny koa ny avy amin’ny fanoherana, ankoatra ireo avy amin’ny mpanohana ny fitondrana, nanao fanehoan-kevitra sesilany. Manana ny fijeriny ny avy amin’ny HVM, Rakotovao Rivo. Nambarany fa marary ny firenena matoa miteny ireo raiamandreny ireo. “Tsy aleonao ve misy miteny sy mananatra izy ireo mba ahafahanao […]
Minisitry ny Atitany: miantso fitoniana…
“Manentana ny fikambanana sy ny antoko politika ary ny antokom-pinoana na fiangonana rehetra misy eto amin’ ny tany sy ny fanjakana mba hiara-misalahy hifanome tanana ary hanentana ny manodidina azy sy ny vahoaka amin’ny fametrahana filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena, indrindra amin’ny fanajana ny soatoavina malagasy. Satria ilaintsika izany […]
Fanamafisana ny fanohanana ny filoha: haneho ny heriny tsy ho ela ny antoko TGV
Efa nampiomana. Niray feo ireo mpitarika sasany eo anivon’ny antoko TGV, ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra fa hohamafisina ny fanohanana tsy misy fepetra ny filoha Rajoelina Andry. Nanterin’izy ireo fa mpanorina ny antoko ny filoha ary manana ny vina sy ny veliranony ka tohanan’izy ireo izany. “Antoko matanjaka sy miray […]