Politika

FANDRAFETANA GOVERNEMANTA: “Malalaka ny filoha”, hoy ny Depiote Rakotondrasoa Fetra

Tsy tokony hisy olona na vondron’olona haneritery ny filohan’ny Repoblika amin’ny fisafidianana izay ho mpikamban’ny governemanta vaovao hajoro eo, araka ny fanehoan-kevitry ny avy amin’ny antoko Freedom, ny depiote voafidy tamin’ny anaran’ny IRD tany Miarinarivo, Rakotondrasoa Fetra, momba ny fandrafetana ny governemanta amin’ny fe-potoam-piasana faharoan’ny filoha Rajoelina. Tsy olona no […]

Kolikoly sy fanodinkodinam-bola : nogiazan’ny Arai ny vola 6 miliara Ar sy fiara miisa 206

Napetraka ny paikady vaovao hoenti-manatsara ny asa famerenana amin’ny fanjakana ny harena azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna. Efa nahazoam-bokatra ny asa vita teo aloha, araka ny tatitra natao tetsy Antanimena, omaly. Nambaran’ny tale jeneralin’ny Antokondra­ha­raha misahana ny fa­merenana ireo harena azo tsy ara-dalàna (Arai), Rasolohari­ma­nana Aimé, fa mitentina 6 miliara […]

FARITRA ATSINANANA : nirary soa ny filoha Rajoelina Andry

Tsy niandry ela. Naneho ny hafaliny sy firariantsoa avy hatrany ny avy amin’ny faritra Atsinanana manontolo, tamin’ny alalan’ny governora, Rafi­dison Richard Théodore, mivady. “Midika ho fitohizan’ny asa fampandrosoana ny faritra, amin’ny alalan’ny fa­namboarana ireo fotodrafitrasa goavana, hanala ny fahasahiranam-bahoaka izao fahalanianao izao”, hoy izy. Notanisainy tamin’izany ny lalambe migodana “Auto­route” sy […]

Hiffim : “Tsy tenenina fotsiny ny sosialim-bahoaka”

“Anjaran’ny filohan’ny Repoblika ny mijery izay tokony hatao. Nilaza izy fa tazonina izay miasa tsara. Anjarany ny mitsara raha misy niasa tsara”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpitarika ny Hetsika iombonana ho amin’ny fanarenana sy fanorenana ifotony an’i Madagasikara (Hiffim), Andriamiseza Alain, ny amin’izay ho firafitry ny governemanta vaovao eo. Alaina tsirairay […]

Raboanarijaona Holijaona: “Ilaina ny fahamarinan-toeran’ny fitondrana”

Namaly ireo tsikera samihafa momba ny voka-pifidianana ny eo anivon’ny mpomba ny fitondrana. Nambaran-dRaboanarijaona Holijaona fa efa mazava ny momba izany. “Raha tsy misy ny fa­hamarinan-toerana, tsy misy ilay fom­ba fitenin’ny filoha Rajoelina hoe tsy maintsy mandroso i Madagasikara”, hoy ny filohan’ny fikambanana Emergence de Madagascar, Raboanari­jaona Holijaona, manoloana ny […]