Politika

Filoha nasionalin’ny MMM, A. Hajo! “Tokony hipaka eny ifotony ny tena fitsinjaram-pahefana”

Nidina ifotony tany Antsirabe sy Betafo ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo ny faran’ny herinandro teo. Nambarany tamin’izany ny momba ny fifidianana sy ny fitsinjaram-pahefana ary ny fiainam-pirenena. Nihaona tamin’ny va­hoakan’ny kaominina Antohibe, any Betafo ny MMM, ny asabotsy teo. Nambarany fa tsy mandeha araka ny tokony ho […]

Tesaka miray le maigny : misavorovoro ny fiainam-pirenena, sahirana ny malagasy

Mitondra ny fomba fijeriny manoloana ny fiainam-pirenena amin’ny ankapobeny ny antoko Tesaka miray le maigny, raha naneho ny heviny tamin’ny mpanao gazety, omaly. Mahatsapa ny fikambanana fa misavorovoro ny fiainam-pirenena eto Madaga­si­kara. «Tsy mipetraka intsony ny fanajana ny lalàmpanorenana sy ny lalàna velona», hoy izy ireo. Ankotra izay, mahatsapa ny […]

Minisitra Ravokatra Fidiniavo: “Tsy lainga no hitaomana vahoaka hankahala fitondrana”

“Ekena fa manokana ny taona 2023. Fa tsy ao anatin’ny fampiasana vaovao tsy marina na amin’ny tambajotran-tserasera na amin’ny fanambarana isan-karazany no heverina fa hitaomana ny vahoaka hankahala ny fitondram-panjakana”, hoy ny minisitry ny Rano sy ny fanadiovana ary fidiovana, Ravokatra Fidiniavo, teny Avaradoha, afakomaly, manoloana ny fanelezana vaovao tsy […]

Namearison Robert : “Mila lazain’ny Ceni izay fifidianana hatao amin’ity taona ity”

Hisy fifidianana ihany ve amin’ity taona ity? Nilaza ny eo anivon’ny KMF/Cnoe fa tokony holazain’ ny Ceni izay fifidianana hatao amin’ity taona ity. “Milaza ny Ceni fa mety eo anelanelan’ny 19 no­vam­bra sy ny 19 desambra izay. Mirona sy mandeha any amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika izany. Maninona raha tenenina hoe […]

Andron’ny manamboninahitra : miantso fijoroana amin’ny andraikitra ny praiminisitra

Nanafatrafatra toy ny isan-taona. Natao, omaly teny Mahazoarivo koa ny fanamarihana ny Andron’ny manamboninahitra. Nitarika izany ny manamboninahitra, zandriny indrindra, ny Lieutenant Rakotoarison Safidiniaina. Miasa eo anivon’ny vondron-tafika ho ami’nny fiarovana ny lapa “Bataillon de sécurité de la primature”, ny tenany. Tonga nitarika ny lanonana ny Praiminisitra, Ntsay Christian. Nisy […]