“Notsarain’ny vahoaka tamin’ny fifidianana ny adihevitra politika rehetra mety nampifanolana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandinika fiarahamonina, Rabary Paul, momba ny toe-draharaham-pirenena taorian’ny fifidianana. Anisan’ny nampifanolana ny hoe: tokony hitondra firenena ve ny olona manana zom-pirenena hafa? Eo koa ny fitsarana ny amin’ny fitantanan’ny filohan’ny Repoblika: neken’ny vahoaka. Faharoa: inona ny […]
Politika
Lanonana etsy Ambohidahy : mety hanamafy ny voka-pifidianan’ny Ceni ny HCC
Hotanterahina anio, etsy amin’ny HCC, ny lanonam-panjakana famoahana ny voka-pifidianana filoham-pirenena. Tsy hiova firy amin’ny efa navoakan’ny Ceni ny hambaran’ireo mpitsara avo na eo aza ireo tsy fahatomombanana sy fitoriana. Hisongadina eo amin’ny tapany voalohany amin’izany ny fitanisana ireo fitoriana na fitarainana miisa 15, arahin’ny valin’izany, ho entin’ireo mpitsara. Samy […]
Kandidà Andry Rajoelina : “Fandresen’ny vahoaka malagasy ny fandreseko”
Naneho hevitra tao amin’ ny pejy “Twitter” ny kandidà Andry Rajoelina, omaly, ary nanamafy ny efa nambarany tamin’ny voka-pifidianana vonjimaika, navoakan’ny Ceni, farany teo. Nambarany tamin’ izany fa tompon’ny fahefana ny vahoaka. “Noporofoinareo izany satria zava-dehibe loatra ny fanajana ny safidin’ny tsirairay. Fandresen’ny vahoaka malagasy tsivakivolo ny fandresena azoko”, hoy […]
Nguiegang Ntchassep Cyrille: « Fifampiresahan’ny samy Malagasy no vahaolana »
Naneho ny heviny mahakasika ny toe-draharaha misy eto Madagasikara ankehitriny i Nguiegang Ntchassep Cyrille, avy any Caméroun, lehiben’ny iraka fanaraha-maso ny fifidianana, avy amin’ny Union-jeunesse de la communauté économique et monétaire de l’Afrique Centrale (UJ- CEMAC). Araka ny nambarany, tsy tokony hitsabaka amin’ny raharahan’ny Afrikanina ny Eoropeanina sy ny Amerikanina […]
Fiketrehana fanakorontanana : handray fepetra hentitra ny Emmo/Nat
Nanao fanambarana ireo lehiben’ny Emmo/Nat amin’izao hiatrehana ny famoahana ny voka-pifidianana izao. Tsy hanaiky ny mety ho fanakorontanana ny mpitandro filaminana. Nambaran’ny lefitry ny lehiben’ny Etamazaoron’ireo tafika misahana ny hetsika ara-miaramila, ny Jly Andrianasimanana William, omaly, fa tsy azo ekena ny endrika fanakorontanana amin’izao hamoahan’ny HCC ny vokam-pifidianana izao. “Fotoana […]




