Nivoaka ny faran’ny herinandro teo ny andiany “Vanona” eo anivon’ny Sekolim-pirenena momba ny fitantanana ny raharaham-panjakana- Enam. Nanafatrafatra azy ireo ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard. Nambarany tamin’izany ny amin’ny tokony hanatsarana hatrany ny fomba fiasa amin’ny fanatanterahana ny asam-panjakana. “Aoka mba ho ny tombontsoan’ny vahoaka malagasy sy ny […]
Politika
Fiarovana ny tontolo iainana : Hamboly hazo ny fikambanana Manda
Hotanterahany ny sabotsy izao, eny amin’ny renivohitry ny distrika, ao Andramasina, ny fambolen-kazo iarahana amin’ny fikambanan’ny Mpianatra andrin’ny distrikan’ Andramasina (Manda). Nambaran’ny filoha mpitarika, Ranarizafinjato Hilaire, fa hanasana ireo raiamandreny sy mpitantana amin’ireo kaominina miisa 14 eo anivon’ny distrika izao hetsika izao. Hitohy amin’ny fifampiarahabana noho ny taona vaovao izany […]
Fihaonana tamin’ny praiminisitra: Manohana ny PGE ny Vondrona eoropeanina
Nitsidika ny Praiminisitra, lehiben’ny governemanta Ntsay Christian, teny amin’ny Lapam-panjakana Mahazoarivo, omaly, ireo delegasiona avy amin’ny Vondrona eoropeana (UE). Nitarika izany ny masoivohony miasa sy monina eto Madagasikara, Roland Kobia. Niaraha-nandinika nandritra izany fihaonana teo amin’ny roa tonta izany ny fifandraisana sy ny fiaraha-miasa eo amin’ny andaniny sy ny ankilany. […]
“Vehivavy mitafa”: Hanasongadinana ny fahaiza-manao
Nosofakana tamin’ny fomba ofisialy tetsy amin’ny zaridainan’Antaninarenina, omaly, ny hetsika “Festival à voix haute”, “Vehivavy mitafa”. Hetsika karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra sy ny faritra Île de France, mpanohana ny hetsika. Tanjona ny hanasongadinana hatrany ny fahaiza-manaon’ny vehivavy. Eo koa ny fisian’ny firaisankina amin’ny fiadiana ny zo eo amin’ny lahy sy ny […]
FANTINA sy FINTINA
Mitohy ny fitsidihan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Tokely Justin, ny any Inde. Nanome voninahitra sy nanaja an’i Mahatma Gandhi, Ray ara-panahy tao amin’ny Raj Ghat ny tenany. Teo koa ny fitsidihana ireo mari-pahatsiarovana entin’ny firenena indianina anehoana ny fahendren’i Gandhi. Mandray anjara amin’ny fivoriamben’ny Komity misahana ny anjara toeran’ny vehivavy eo anivon’ny […]