Nambaran’ny mpikambana eo anivon’ny Fimmar, i Ndremitsara Tarzan, fa mivaona tanteraka ny fomba fanaovana politika ary mitarika ho any amin’ny korontana. «Aoka isika handala ny fitoniana ahafahana miroso amin’ny fifidianana», hoy izy, ny herinandro teo. Nahitsy ny tenany nilaza fa efa tsy fotoanan’ny fifampiantsiana intsony izao. Tokony hampiseho fitondran-tena mendrika […]
Politika
Fifidianana filoham-pirenena : hanohana ny kandidà laharana fahatelo ny CS-ANR
Afaka iray volana eo ho eo, hotanterahina eto Madagasikara ny fifidianana filoham-pirenena. Araka izany, nanatanteraka fivoriana teny Ivandry, ny fikambanana CS-ANR. Vonona ny hanamafy ny fanohanana ny kandidà laharana fahatelo, ny filoha teo aloha Rajoelina Andry Nirina, ny fikambanana CS–ANR. Fanambarana natao teo imason’ireo mpikambana tonga teny amin’ny Arena Ivandry, […]
Fiatrehana fifidianana : tsy miandany na manohana kandidà ny Mafami
Nambaran’ny filoha nasionaly, Ratovomaherison Manoa, teny Ambohimanambola, omaly fa velona sy miaina ary maneho hetsika anatin’ny tanjany ny Mafami. «Tsy manao politika ary tsy manohana kandidà izahay. Na izany aza, afaka miray hina sy miaraka. Manaporofo koa anefa ny tantara fa teo hatrany nandritra ny 45 taona», hoy izy. Notsiahiviny […]
Ceni: “80 %ny karatry ny mpifidy voazara”
Efa mandeha ny fizarana ny karatry ny mpifidy, amin’izao fotoana izao. Manao izay fara heriny ny Ceni ahazoan’ny olom-pirenena izany mialoha ny fifidianana. “80 % eo ho eo ny hafainganam-pandehan’ny fizarana karatry ny mpifidy. 1 360 amin’ ny kaominina 1 695 no efa nahavita izay fizarana karatry ny mpifidy izay”, hoy ny […]
Fihaonana IDDA III : mampandroso ny firenena ny fananàny indostria
Mandray anjara amin’ny fihaonana an-tampony ho an’ny fampandrosoana ny indostria aty Afrika (IDDA III) andiany faha-enina ao anatin’ ny fivoriambe faha-78 ho an’ ny firenena mikambana atao any New York omaly, i Madagasikara. Nisolo tena ny firenena malagasy ny minisitry ny fampiroboroboina ny indostria sy ny varotra ary ny fanjakana, […]




