Politika

Vovonana Diovy i Madagasikara : « Tokony ho pejy vaovao ny fiarahana amin’i Frantsa »

Nanao fanambarana ny eo anivon’ny vovonana Diovy i Madagasikara, Antsakaviro. Anisan’ny navoitran’izy ireo, tamin’izany, ny fifandraisana amin’i Frantsa. « Tsy mankahala azy ireo velively isika fa mila diovina ny fifandraisantsika amin’io firenena io. Irinay ny hisokafan’ny pejy vaovao amin’ny fifandraisan’ny firenena roa tonta », hoy izy ireo, tetsy Antsakaviro, omaly. Nan­terin’ity vovonana […]

Minisitra Razafimanantsoa Hanitra: “Tsy natao hizarana toerana ny tondrozotra”

Nitondra fanazavana ny momba ny tondrozotra ho an’ny fanavaozana ny minisi-panjakana eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika misahana ny Fanavaozana, Me Razafimanantsoa Hanitra. Nambarany fa tsy mitovy amin’ny sori-dalana ny taona 2009 izany. “Nisy ny fifampiresahana sy ny fifanajana. Tsy nisy ny resa­ka hoe tsy maintsy manao an’izao na izao”. Io […]

FANTINA sy FINTINA

Nandiso ny vaovao miely ny fikambanana FOMF, tarihin-dRazaivola Raissa. Mbola voatazona ao amin’ny toby Ratsimandrava ity mpitarika azy ireo ity, hadihadiana momba ny fitsoahany ny fonja sy ny fisandohana andraikitra. Mbola hatolotra ny fampanoavana avy eo. « Tsy mitombina noho ny filazana fa no­samborina na tsy any am-ponja izy », hoy izy ireo. […]

Hetsika Rohy: “Mila hazavaina ny fandrafetana ny tondrozotra”

“Tsara ny hoe hamoaka tondrozotra hitondrana ny Tetezamita ny filohan’ny Fa­navaozana, alohan’ny 28 febroary”. Io ny nambaran’ny mpandrindra teknika ny Hetsika Rohy, Andriamora­niaina Harijaona, teny Amba­to­nakanga, omaly, ny amin’ny hoe hamoaka tondrozotra hitantanana ny Tetezamita ny fitondrana. Tokony handraisan’ny mpisehatra rehetra anjara ny famolavolana izany, raha ny fitakian’ny fiarahamonina sivily. […]

Fihaonana tamin’ny mpamatsy vola tao Paris : Mitaky asa miantraika amin’ny vahoaka ny filoha

Nanao dinikasa niaraka amin’ny mpamatsy vola, eo anivon’ny Banky iraisam-pirenena sy ny mpiara-miombona antoka ny filoham-panjakana, Randrianirina Michaël sy ny delegasionina notarihiny, nialoha ny nihaonany tamin’ny filoha frantsay, Emmanuel Macron, omaly. Voaresaka tamin’izany ny momba ireo tetikasa vatsian’izy ireo vola hotanterahina eto Mada­gasikara. Hentitra ary nanamafy ny filohan’ny Fanavao­zana fa […]