Politika

Fitondrana Fanavaozana : Hanao tombana fahatelo ny iraky ny Sadc

Tonga eto Madagasikara ny iraky ny Sadc andiany fahatelo. Hanao tombana ny toe-draharaha eto an-toerana ny anton-dian’izy ireo. Tonga eto Madagasikara, afakomaly alina, ny iraka manokan’ny Sadc, tarihin’ny filohan’ny Repoblikan’i Malawi teo aloha, sady mpikamban’ny Komitin’ny Olobe eo anivon’ny Sadc no lehiben’ny delegasionina amin’izao dian-dry zareo izao, ny Dr Joyce […]

FANTINA sy FINTINA

Nitsidika ara-pomba fifanajana ny Praimi­nisitra, Rajaonarison Mamitiana, teny Mahazoarivo, omaly, ny ambasadaoron’i Korea Atsimo, i Ji- Hyun Park. Nohamafisiny, tamin’izany, ny fahavononan’i Korea Atsimo hanohana ny fitondrana Fanavaozana amin’ny fanarenana an’i Madagasikara. Voaresaka koa ny fanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana ifandraisan’ny firenena roa tonta. Misy antony fa tsy tongatonga hoazy ny […]

Razafimahefa Herimanana : “Ny fitiavan-tseza tafahoatra no tena olana eto”

“Ny tena zava-doza, izay tonga eo amin’ny fitondrana, misy ny fitiavan-tseza tafahoatra sy ny tsy fitsinjovana ny maro an’isa. Izay no tena olana. Manao izay mahatsaratsara ny fiainany sy ny fianakaviany izay tonga eo”. Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny Antenimierandoholona teo aloha sady filohan’ny antoko Fanarenana, Razafimahefa Herimanana, manoloana ny […]

Mediatiora : Miara-miasa hanamafisana ny demokrasia i Alemaina

Nihaona tamin’ny Mediatioran’ny Repoblika ny ambasadaoron’i Alemaina, omaly, teny Isoraka. Nivoitra, nandritra izany, ny fiaraha-miasa hanamafisana ny demokrasia eto Madagasikara. Fiaraha-miasa amin’ny fitondrana tsara tantana, fitandroana zon’olombelona, fampandrosoana maharitra… Ireo no fototry ny dinika nihaonan’ny ambasadaoron’ny Repoblika Federalin’i Ale­maina eto Madagasikara, i Oliver Knoerich, tamin’ny Mpiahy an-drariny ny vahoaka na […]

FANTINA sy FINTINA

Efa nisy ny taratasy fangatahana fanesorana ny zo tsy azo anenjehana « Immunité parlementaire » ny depiote Raholdina Naivo, araka ny nambaran’ny minisitra Fanirisoa Ernaivo. « Efa nalefa eny Tsimba­zaza izany, mialoha ny nisamborana azy, saingy mety tsy voarain’ny filohan’ ny Antenimiera izany noho izy mbola tsy teto an-toerana », hoy izy. Nandray ny […]