Nihaona tamin’ireo teratany malagasy milaravinahitra any Kenya ny filoham-panjakana, ny Kly Randrianirina Michaël, mivady sy ireo minisitra maromaro eo anivon’ny governemanta. Nampahafantariny, tamin’izany, ny momba ny raharaham-pirenena. Nambarany fa kendrena ho vita mialoha ny faran’ny taona 2027 ny fifidianana filoham-pirenena, ialohavan’ny fifidianana izay ho Lalàmpanorenana. «Tsy hisy velively izany Tetezamiitatra […]
Politika
FANTINA sy FINTINA
Voatendry hisahana andraikitra eo anivon’ny Frankofonia (OIF), Razanamahasoa Christine. Asa ho sahaniny ny fisoloan-tenan’i Madagasikara eo anivon’ny Sherpa. Manomana sy manaraka ireo antontan-taratasy eo amin’ny lafiny politika sy ny diplaomasia ary koa ny momba ny stratejia eo anivon’ny Frankofonia. Naneho ny heviny manoloana ny raharaham-pirenena ny vovonana NGPM, tamin’ny alalan’ny […]
Kly Randrianirina Michaël: Nihaona tamin’ny filoham-panjakana maromaro
Nisinisy ny filoham-pirenena niara-nidinika tamin’ny Filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny Kly Randrianirina Michaël, tany Nairobi. Anisan’izany ny Kenianina, Ivoarianina, Egyptianina, sns. Ny famatsiam-bola sy ny fampiasam-bola stratejika ary ny fiaraha-miasa hanohanana ny tetikasa fampandrosoana aty amin’ny firenena afrikanina. Izay no nifantohan’ny fihaonana an-tampon’i Afrika sy ny Frantsay “Africa Forward” 2026, […]
FANTINA sy FINTINA
Nametra-pialana, omaly, ny ben’ny Tanànan’Antsirabe, Rasamimanana Honoré Gabriel, sy ny ekipany. Nandritra ny fananganan-tsaina no nanambarany izany, nanoloana ny mpiasa. Anisan’ny anton’ny fanapahan-kevitra ny olan’ny karaman’ny mpiasa tsy voaloa nandritra ny 13 volana. Eo koa ny momba ny fitokonan’ireo mpiasa, mitaky hatrany ny karamany. Nampandalovina tetsy amin’ny Lapan’i Tsimbazaza ny […]
Minisitra Ernaivo Fanirisoa : “Voarohirohy amin’ny hala-tany i Naivo Raholidina”
Voarohirohy amin’ny fangalarana tany marobe no itorian’olona azy, raha ny fanazavan’ny minisitry ny Fitsarana, i Ernaivo Fanirisoa, mpanao gazety, teny Anosy, omaly, taorin’ny fametrahana amin’ny toerany ireo filoham-pitsarana maromaro, ny amin’ny fanenjehana ny depiote Naivo Raholidina. Misy amin’ireo nilaza fa nangalarany tany no nisiana fikasihan-tanana. Maromaro ny olona mitory […]




