Misoko mangina. Efa ao anatin’ny faminavinana ireo tetiandro samihafa ho amin’ny fifidianana ny eo anivon’ny Ceni, amin’izao fotoana izao. Nambaran’ny filohan’ity rafitra mpikarakara fifidianana ity ny momba ireo dingana samihafa hirosoana. « Tokony hotanterahina amin’ny volana jona na jolay 2027 ny fifidianana ny Lalàmpanorenan’ny Repoblika fahadimy. Hatao ny volana oktobra amin’io […]
Politika
Asan’ny governemanta : “Mila vokatra mivaingana ny vahoaka”
Nisokatra, omaly, ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ny Antenimierampirenena, amin’ity taona ity. Nivoitra tamin’ny lahatenin’ny filoha, Randrianasoloniaiko Siteny, fa mitaky vokatra amin’ny governemanta ny vahoaka. “Miandry sy manantena vokatra azo tsapain-tanana sy misy fiantraikany amin’ny fiainany andavanandro ao anatin’ny fotoana fohy ny vahoaka malagasy”. Io ny kabarin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Randrianasoloniaiko Siteny, nanomboka […]
Fandaharanasan’ny Fanavaozana: Hanara-maso ny fikaonandoha ny Sadc
Manaraka akaiky. Nambaran’ny minisitra misahana ny Fanavaozana, ny Me Razafimanantsoa Hanitra, fa anisan’ny hanamarika ity herinandro ity ny fahatongavan’ny iraky ny Sadc. « Hijery ny fandrosoan’ny asa araka ny voafaritra ao amin’ny fandaharanasan’ny Fanavaozana izy ireo. Horesahina mandritra ny fihaonana koa ny momba ny tetibola hanatanterahana ny fikaonandoham-pirenena », hoy izy, tetsy […]
FANTINA sy FINTINA
Tsy nahalala mialoha ny momba ny fisamborana ny depiote, Raholdina Naivo, ny filoha lefitra fahafito ao amin’ny Antenimierampirenena, Milavonjy Philobert. Nambarany fa efa niantso ny filohan’ity Andrimpanjakana ity momba izany trangan-javatra izany izy saingy mbola tsy nahazo valiny mazava. Nilaza ho mbola tsy naharay taratasy avy amin’ny minisitry ny Fitsarana […]
Africa Corps : Manamafy ny fisiany aty Afrika
Miasa sy manamafy ny fisiany aty Afrika, amin’izao fotoana izao, ny Africa Corps, izay miankina amin’ny minisiteran’ny Fiarovana Rosianina. Anisan’ny firenena voalaza fa ahitana azy ireo koa i Madagasikara, ankehitriny. Tao anatin’ny andro vitsivitsy, misy ny fampitahana ny zava-misy eto an-toerana sy any Mali, izay samy entina kolonely am-perinasa. Tsiahivina fa […]




