Mba tena ho tompon-draharaha na any lavitra aza. Nirary soa ny vahoaka Malagasy noho ny taona vaovao ny Vovonana miara-dia, ahitana antoko sy fikambanana politika maro, eo anivon’ny Diaspora, tarihin-dRasamimanana Hilarion. Natsidik’izy ireo fa hiatrika fifidianana isika. Maromaro ireo fanirian’izy ireo. Eo ny fangatahana ny haha kandidà indray ny filoha […]
Politika
Fiatrehana ny fifidianana: mitaky ny hanadiovana ny tokontany ny MFM
Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy, tetsy Anosy, ny jobily faha-50 taonan’ny MFM. Anisan’ny nitondran’izy ireo ny heviny ny momba ny fifidianana sy ny fiainam-pirenena. Hentitra ny filoha nasionaly vonjimaika, Rakotovazaha Olivier, manoloana izany. “Mila diovina aloha ny tokontany ilalaovana vao miresaka fifidianana isika mba tsy ahatongavana amin’ny ra aman-driaka sy fifandonana”, […]
Fotodrafitrasa eny ifotony: miroso ny fanamboaran-dalana Mahajanga – Amborovy
Miroso miandalana ny fanamboaran-dalana RN54 Mahajanga tanàna, mihazo ny eny amin’ny seranam-piaramanidina, Amborovy. Efa maherin’ny 35% ny fahavitan’ny asa amin’izao fotoana izao. Izany hoe eo anelanelan’ny Galana Tsaramandroso sy “Ponceau” fiviliana mihazo ny any amin’ ny Mazava huile. Samy ahitana izany fanamboaran-dalana izany avokoa, miainga eo amin’ny Jirama , Amboboka. […]
Tsingerin-taona faha-50: hanao hetsika ny elatra MFM Rakotovazaha
Tratry ny fizarazarana na samy eo anivon’ny fanoherana aza. Hifamotoana etsy amin’ny hotely iray etsy Anosy, anio tontolo andro, ny elatra MFM, miara-dia amin-dRakotovazaha Olivier, filoha nasionaly vonjimaika. Hanamarika ny faha-50 taonan’ny antoko koa izy ireo. Hisy ny fotoam-bavaka sy fanehoana an-tsary ny lasan’ny “Mafana”, hatramin’ny niorenany amin’izany. Eo koa […]
Fijoroan’ny vovonana : naneho ny fanohanany ny filoha Rajoelina ny VMMTF
Tsy hamela ny filoha hiady irery manoloana ny raharaham-pirenena. Nijoro sy nampahafantatra ny momba azy tetsy Antaninarenina, omaly ny Vondrona maroloko mpanome tanana ny filoha (VMMTF). Nilaza ho efa mahenika ny faritra 23 izy ireo amin’izao fotoana izao ary efa miasa eny an-kianja. “Vehivavy vonona sy marisika ary sahy mijoro […]