Efa nivoaka, tsikelikely, omaly alina ny voka-pifidianana filoham-pirenena, fihodinana voalohany. Mitarika vonjimaika ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina. Lavitra ny elanelam-bato amin’ireo telo voalohany amin’ny voka-pifidianana vonjimaika. Mitarika amin’izany ny kandidà Andry Rajoelina raha mifandimby eo amin’ny laharana faharoa sy fahatelo amin’ny fahazoana isam-bato ny kandidà laharana fahadimy, Ravalomanana Marc, […]
Politika
Vovonana Pan-FFKM: “Hikaro-bahaolana hatrany”
Nanao fanambarana ny Vovonana ho amin’ny fifampidinihana, tarihin’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Razanamahasoa Christine, (Pan), sy ny avy amin’ny FFKM, teny Tsimbazaza, omaly. Nasongadin’izy ireo tamin’izany fa hanohy ny asany ary mbola miantso ny rehetra ho amin’ny fifampidinihana ity vovonana ity. “Tsy hitsahatra ny hitady vahaolana hipetrahan’ny filaminana sy ny fandriampahalemana eto […]
Fiahiahiana fanalam-baraka : nosamborina ny kandidà Paraina Auguste
Nosamborina, omaly, teny Ivato, ny kandidàn’ny antoko Tsara Tahafina, i Paraina Auguste. Nohazonina eny amin’ny polisy misahana ny ady heloka bevava (BC) Anosy, ny tenany hatramin’ny omaly hariva. Voalazan’ny loharanom-baovao fa nahazo ny taratasy fampiantsoana ity kandidà ity, tokony ho tamin’ ny 1 ora tolakandro, omaly. Namaly ireo mpitandro filaminana […]
Firenena mikambana – Madagasikara: “Mahazo miroso amin’ny fifidianana”
“Matoa ry zareo mandefa mpanara-maso fifidianana marobe, ny dikan’izany: afa-mandroso amin’ny fanatanterahana fifidianana i Madagasikara”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Yvette Sylla, taorian’ny fandraisany ireo masoivoho sy vondrona iraisam-pirenena teny Anosy, afakomaly, ny amin’ny dingana fanatanterahana fifidianana filohan’ny Repoblika rahampitso. Anisan’ ny manampy an’i Madagasikara amin’ny fifidianana ny ONU, […]
Ankatoky ny fifidianana: “Voarara ny fidinana an-dalambe”
Tsy azo atao intsony ny mamory vahoaka amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, hoy ny Emmo-Nat sy ny Prefektiora. Handray ny fepetra hentitra amin’ny fihoaram-pefy izy ireo. “Efa tsy azo atao intsony ny fampielezan-kevitra sy ny hetsika hafa na fidinana an-dalambe. Ao anatin’ny antsoina hoe fahanginana, mialoha ny fifidianana isika izao, […]




