Politika

Fikambanana miara-dia amin’ny Upar – Tanà : “Tsy hanaiky ny hanaovana sorona ny Renivohitra isika”

Nanao fanambarana ireo fikambanana marobe eo anivon’ny Upar – Tanà, miara-dia amin’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, omaly. Namaly ny fanambaran’ny filohan’ny Antenimierampirenena Razanamahasoa izy ireo tamin’izany. Nohitsin’ny fanambarana fa hikasa hanakana ny fifidianana amin’ny alakamisy 16 novambra izao ny fanehoan-kevitry ny filohan’io Andrimpanjakana io. Manaja ireo raiamandreny ireo izy ireo. Na izany […]

Kandidà Andry Rajoelina : «Tsy mila korontana isika fa fifidianana ihany»

Nitohy tany amin’ny faritra Analanjirofo ny fampielezan-kevitry ny kandidà Andry Rajoelina, omaly. Anisan’ izany ny any Soanierana Ivongo sy Vavatenina ka namaliany ny fitakian’ny sasany. “Maro ireo mpanenjika ary milaza fa hanao Tetezamita sy hiresaka… Isika tsy mila korontana intsony. Ndao hifidy avokoa isika amin’ny 16 novambra ary ho lany […]

Fivondronamben’ny Eveka : «Avelao haneho ny heviny amin’ny fifidianana ny vahoaka»

Nanao fanambarana miompana amin’ny hoe “Inona àry no hataonay?” ny Fivondronamben’ny eveka (Fem) ao anatin’ny fivoriany ny 7 hatramin’ny 14 novambra izao. Anisan’ny nisongadina tamin’izany ny momba ny fifidianana. “Avelao haneho ny heviny sy hamaritra ny hoaviny ankalalahana sy araka ny lalàna velona amin’ny alalan’ny fifidianana ny vahoaka”, hoy ny […]

Fehinkevitry ny vovonana mpanelanelana : “Tokony haato ny zotram-pifidianana sy ny hetsika an-dalambe”

Namoaka ny fehinkevitra taorian’ny fihaonana samihafa nataony ho an’ny eto an-toera­na sy ny avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny vovonan’ ny filohan’ny Antenimie­ram­pirenena (Pan), sy ny FFKM. “Tokony haato ny zotram-pifidianana ary hamerina hamaritra ny fampiharana ny zotram-pifidianana hifanaraka amin’ny lamina iraisam-pirenena araka ny toromariky ny Sadc sy ny Vondrona eoropeanina”, […]