“Mahafinaritra kokoa ny ezaka sy ny asa, raha tsy anavahana olona izay atao”, hoy ny filoha nasionalin’ny Otrikafo, Rabevahiny Elia, momba ny asan’ny Rafitra famerenana amin’ny fanjakana ireo fananana azo tamin’ny fomba tsy ara-dalàna na ny Agence de recouvrement des avoirs illicites (Arai), amin’ny fanagaziana fananana azo amin’ny kolikoly na […]
Politika
Minisiteran’ny Serasera : “Tokony hanaja ny etika hatrany ny mpanao gazety”
Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny kolontsaina MSK, tamin’ny zoma. Natao izany, manoloana ireo tranga fiahiahiana ny mpanao gazety ho miantso fiokonan’ny miaramila. Notsiahivin’ny minisitera tamin’izany fa iantohan’ny Lalàmpanorenana tokoa ny zo ho amin’ny fahafahana maneho hevitra sy ny zo ho amin’ny fanomezana vaovao. “Voafetra ihany anefa […]
Fiaraha-miasa ara-tafika : nandray anjara tamin’ny « EDEX 2023 » ny MDN
Notanterahina tany Egypta, ny herinandro teo, ny andiany fahatelo amin’ny hetsika « EDEX », « Egypt Defence Expo 2023 », Teo ambany fiahian’ny filohan’ny Repoblikan’i Arabo any Egypta sady filoha faratampon’ny Tafika egypsiana, Abdel Fata El Sisi. Ny Tafika egypsiana no tompon’antoka tamin’ny fikarakarana izany hetsika anisan’ny lehibe indrindra amin’ireo fampirantiana ara-piarovana aty amin’ny tapany avaratr’i Afrika. […]
Rajoelina Andry : mitohy ny fijerena ny mahararin’ny vahoaka
Nidina ifotona nijery sy namantatra ny toe-javamisy iainan’ny vahoaka sy nitafa tamin’izy ireo, ny filoha voafidy Rajoelina Andry. Notsindriny mafy, tamin’izany, fa vonona ny fitondram-panjakana hotarihiny hamaha ireo olan’ny vahoaka. Nitohy omaly, teny Ampefiloha Ambodirano sy Anosibe Zaivola ary Andranomena, ny fidinana ifotony, nijerena ny marary sy ny manahirana ny mponina ary nizarana ny […]
Fandrindrana ny tohin’ny tolona : nanangana ny «Cellule de crise» ny vondron’ny kandidà
Nambaran’ny vondron’ny kandidà «C11», omaly, fa tafatsangana ny «Cellule de crise». Natao hamaritra sy handrindra ireo hetsika rehetra hatao manerana an’i Madagasikara manomboka amin’ny herinandro ho avy izao izany. Etsy andaniny, efa namolavola lalàm-pifidianana vaovao ny eo anivon’ny C11. Natao hanatsarana ny lalàna efa misy izany, araka ny nambaran’izy ireo […]




