Politika

Fialan-tsasatry ny fitsarana : misy hatrany ny fiandrasan-draharaha

Hanomboka anio ary hifarana ny 15 janoary 2023 ny fialan-tsasatra eny anivon’ny fitsarana, Antananarivo. “Mi­so­katra hatrany anefa ny fitsarana. Na eo anivon’ny fampanoavana izany, na eo anivon’ny firaketan-draharaha hahazoana mampiditra an’ireo raharaha rehetra heverina fa tokony hapetraka eny amin’ny fitsarana”, hoy ny lehiben’ny firaketan-draharaha, Antananarivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, […]

Fanisana mpifidy: niantso fanaraha-maso hentitra ny lisitra ny Tim

Nitohy tany Mangarivotra Tsiroanomandidy, ny kongresim-paritry ny Tim, ny faran’ ny herinandro teo. Tafiditra koa amin’ny fanamarihana ny faha-20 taonan’ny antoko izany. Nambaran’ny filoha nasionaliny, Ravalomanana Marc tamin’izany fa efa hikatona tsy ho ela ny fanisana ny mpifidy, amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana. Nazava ny toromarika nomeny tamin’izany. “Entanina ireo […]

Andrianainarivelo Hajo: “Ilaina ny mihaino ny olan’ ny vahoaka eny ifotony…”

Nitohy tany Ankazoabo ny fitsidihan’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianaina­ri­velo Hajo ny atsimon’ny Nosy. Nivoitra tamin’izany ny olana maro samihafa iainan’ny vahoaka any an-toerana. Anisan’izany ny olana sosialy. Tsy mifanaraka amin’ ny filan’ny mponina ireo fotodrafitrasa any Ankazoabo. “Ilaina ny mihaino ny olan’ny vahoaka ety ifotony raha te hampandroso […]

Kestora Henri Jean-Michel : “Madio ny fitantanana ato amin’ny Antenimiera”

Namaly ny resabe. Nitondra fanazavana momba ny fitantanana eo anivon’ny Antenimierampirenena, ny kestora I, ny depiote Jean Michel Henri. “Hatramin’ny 2019 ka hatramin’izao, eo an-tanany avokoa ny taratasy fanamarinan’ ny vaomieran’ny fitantanam-bola. Madio sy mangarahara ny fitantanana ato amin’ny Antenimierampirenena”, hoy ny kestora voalohany eny anivon’ny Antenimierampi­re­ne­na, ny depiote Jean-Michel […]

Fampandrosoana : hisitraka fampitaovana nomerika ny eny ifotony

Natao ny talata teo ny atrikasa ho amin’ny fampitaovana ny eny anivon’ny vondrom-paritra itsinjaram-pahefana (CTD), mifandraika amin’ny “Digitalisation”. Nivoitra ny hijeren’ny minisiteran’ny Ati­tany sy ny fitsinjaram-pahefana (Mid) ireo fitaovana mifandraika sy ho azon’ny eny ifotony ampiasaina. Eo ny fampisana ny nomerika ho amin’ny fitantanana ny asam-panjakana sy ny ara-bola. Ny […]