Mitohy ny fikaroham-bahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena. Anisan’ny manao izany ny vovonana iarahan’ny filohan’ny Antenimierampirenena (Pan), Razanamahasoa Christine, sy ny eo anivon’ny FFKM. Noraisin’izy ireo teny Tsimbazaza ny iraky ny Sadc, omaly. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Nambaran’ny loharanom-baovao fa anisan’ny anton’ny dinika rehetra tanterahin’ity vovonana ity amin’izao fotoana izao […]
Politika
Jeneraly Ravalomanana Richard: “Tsy voasakana intsony ny hisin’ny fifidianana”
“Tsy voasakana intsony ny hisin’ny fifidianana”, hoy izy, teny Anosy, afakomaly. Efa misy ny lamina natao hoe amin’ny 16 novambra ny fifidianana filohan’ny Repoblika, fihodinana voalohany. “Hatramin’izao, mandeha amin’izay zotram-pifidianana izay isika”, hoy izy. Ny hevitry ry zareo vondron’ny kandidà ny hoe tsy handeha amin’izany. Anjarany izay. Efa ao anatin’ny […]
Kandidà Rajoelina Andry : « Fotodrafitrasa ilain’ny vahoaka no ho tanterahina »
Mitohy hatrany ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo. Tao anatin’izany no nanaovany fanamby ny amin’ny fanaovana sy fanohizana ny fotodrafitrasa efa natomboka ho famaliana ny filàn’ny vahoaka. Ny vahoakan’ny distrikan’i Mandritsara, Befandrina Avaratra, Mananara Avaratra ary Sambava indray no nitafa tamin’ny kandidà laharana fahatelo, nandritra ny fampielezan-kevitra nataony omaly. Ny […]
Fifidianana : noraisin’ny MDN ny filohan’ny Ceni
Nitsidika ny minisitry ny Fiarovam-pirenena (MDN), ny Jly Rakotoarijaona Josoa, teny Ampahibe, omaly ny filohan’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni), Dama Arsène. Ho fanohizana ny fiomanana amin’ny fifidianana 2023 no tena anton’ny fihaonana teo amin’ireto tomponandraiki-panjakana ambony ireto. niompanan’ny fifampiresahana ireo dingana rehetra hitandroana ny filaminana mialoha sy mandritra […]
Kandidà Andry Rajoelina : “Tsy nisy mpitondra nahavita ny nataontsika”
Nitohy tany amin’ny distrikan’i Mahanoro, Bealanana, Maroantsetra indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Notanisainy tamin’izany ny ezaka vita tao anatin’ny efa-taona mahery. Nametraka fanamby sy velirano amin’ny nanamboarana ny lalana ny tenany ka nahavitana izany, toy ny any Ambilobe – Vohemar sy ny lalana RN-44 any Ambatondrazaka. Ny […]




