Nahemotra amin’ny 13 novambra ny adihevitry ny kandidà saika ho natao halina, tao amin’ny haino aman-jerin’ny fanjakana TVM/RNM. Tokony ho nifanatrehan’ny kandidà isany, i Andry Rajoelina sy Randrianasoloniaiko Siteny ary Raderanirina Sendrison izany. Tsy raikitra tamin’ny ora farany ary nahemotra. Tokony ho notanterahina, omaly halina tamin’ny 8 ora, ny adihevitra […]
Politika
Hetsiky ny vondron’ny kandidà 10 : tsy tafiditra teny amin’ny kianjan’ny 13 mey
Voafehin’ny mpitandro filaminana ny hetsika nataon’ireo mpiakanjo fotsy manara-dia ny Vondron’ny kandidà 10 ny sabotsy teo. Nandamoka ny fikasana hiditra tetsy amin’ny kianjan’ny 13 mey. Niainga avy tamin’ny toerana samihafa ireo mpitolona nanomboka tamin’ny 11 ora atoandro. Nanaparitaka azy ireo tamin’ny alalan’ny baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Nisy tamin’ireo mpitokona […]
Kandidà Andry Rajoelina ; “Hanova ny tantara isika eto Vakinankaratra”
Nitohy tany Antsirabe rehefa avy any atsimon’ny Nosy ny kandidà Rajoelina Andry, omaly. Nanteriny fa tsy misy hahasaraka ny fitiavany amin’ny any Vakinankaratra. Nambarany fa na eo aza ny fanirin’ny kandidà sasany ny tsy hitiavan’ny vahoakan’ Antsirabe azy, voaporofo anefa izany fa tia an’i Andry Rajoelina sy tian’i Andry Rajoelina […]
Kandidà Rajoelina Andry: “Hanova ny fiainan’ny isan-tokantrano isika”
Nitohy tany Ambovombe, Tsihombe, Amboasary, Taolagnaro, faritra Androy, indray ny fampielezan-kevitry ny kandidà laharana fahatelo, Andry Rajoelina, omaly. Nambarany fa anisan’ny tiany ny any atsimon’ny Nosy. «Amin’ny andro sarotra no ahafantarana ny tena namana sy raiamandreny. Tsy mbola nisy filoha nitsidika matetika taty afa-tsy i Andry Rajoelina noho ny fitiavana […]
Hetsi-bahoaka : tsy atao sorona intsony ny renivohitr’ i Madagasikara
Hetsika roa samy hafa no hisy eto an-drenivohitra, anio. Andaniny, ny mpanao propagandy. Ankilany, ireo hanao amboletra hiditra ny kianjan’ny 13 mey. Na inona fitakiana, tsy tokony hatao sorona Antananarivo. Manoloana izany, nisy ny fampiantsoan’ny mpanatanteraka eo anivon’ny kaominina Antananarivo Renivohitra an’ireo mpanolotsain’ ny Tanàna, omaly. Tapaka tamin’izany ny fandraisana […]




