Politika

Filohan’ny Ceni, Dama Arsène : “Ento ny porofo handraisana fepetra fa aza manasoketa”

Nitondra fanazavana manoloana ireo resabe sy tsikera momba azy ny eo anivon’ny Ceni, omaly. Nambaran’ny filohany, Andrianarisedo Dama fa efa vonona amin’ny firosoana amin’ny fifidianana izy ireo. Notsiahiviny fa anisan’ny efa vita ny famaranana ny lisi-pifidianana ka maherin’ny 11 tapitrisa ireo mpifidy. Efa tonga ny bileta tokana sy ireo antontan-taratasim-pifidianana. […]

Vondron’ny kandidà: niverina ny hetsika taorian’ny 2 andro niatoana

Niverina indray ny hetsika Fotsy, an’ny vondron’ny kandidà, taorian’ny dinika maro samihafa. Somary nivoaka kely ny renivohitra izy ireo tamin’ny hetsika omaly ary sahala amin’izay ihany koa ny amin’ity anio ity. Nitohy teny amin’ny kaominina Ambohitriman­jaka, ao anatin’ny dis­trikan’Ambohidratrimo, ny he­tsika Fotsy nataon’ny vondron’ny kandidà, omaly. Sahala amin’ny mahazatra, nisy […]

Fikaroham-bahaolana : nandray ny Antenimiera sy ireo tangalamena ny FFKM

Miditra amin’ny dingana faharoa ny fanelanelanana. Nanao ranolava ny fandraisan’ireo raiamandrenim-piangonana ireo sokajin’olona sy avy amin’ny sehatra samihafa, omaly, tetsy Ampandrana. Tafiditra amin’ny ezaka tanterahin’ny FFKM ho fikarohana vahaolana manoloana ny toe-draharaham-pirenena izany, araka ny loharanom-baovao. Anisan’ny noraisin’izy ireo tamin’izany ny eo anivon’ny Ceni. Efa fanintelony izao no nandraisan’ireo filoham-piangonana […]

Kandidà Andry Rajoelina: «Mila filoha tanora sy akaiky azy ny vahoaka»

Nanohy ny fampielezan-kevitra tany Ambalavao, Vohibato, Lalangina ary Isandra ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry, omaly. Nofaritany tamin’izany ny tokony ho mpitondra ny firenena. Nambarany tamin’izany fa misy ny fahafaham-po lehibe rehefa nampanantena ka tanteraka izany… Anisan’izany ny fotodrafitrasa manara-penitra naorina amin’ireo kaominina sy distrika ireo. “Mila filoha tanora sy […]