Nambaran’ny kandidà Rajoelina Andry, teny Alarobia, omaly, ny momba ny nanendrena ny Jly Ravalomanana Richard ho loholona, nialoha ny fametraham-pialany tsy ho filoham-pirenena, ny herinandro teo. “Isika mahay sy mahafehy tsara ny stratejia politika”, hoy izy. Notsiahiviny avy eo fa tsy nanova ny praiminisitra ny tenany tao anatin’ny 5 taona. […]
Politika
Filohan’ny HCC : “Tsy azo terena ny filohan’ny Antenimierandoholona”
Nitondra ny heviny mikasika ny tsy nandraisan’ny filohan’ny Antenimierandoholona ny fitantanana ny firenena ny filohan’ny HCC, omaly. Tsy azo terena izy, araka ny nambarany. “Sanatria tsy manambany olona: raha ny mpiasa ao an-trano aza no milaza hoe tsy hanao intsony, tsy azo terena. Indrindra ny olona omen’ny Lalàmpanorenana andraikitra makadiry […]
Antoko Arema, Ratsiraka Annick : “Hitanila ny fifidianana ary tsy hangarahara”
Nitondra ny heviny sy nanazava ny toe-draharaham-pirenena tany Mahajanga, ny herinandro teo, ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Anisan’izany ny momba ny fifidianana. “Hitanila ny fifidianana ary betsaka ny tsy mazava. Eo an-tananan’ny olom-bitsy tanteraka koa ny fitantanana ny firenena”, hoy izy. Nohazavainy tamin’izany ny antony nisintonan’ny Arema ny filatsahan-kofidiny […]
Vita ny antsapaka : miroso ny fanatanterahana fifidianana
Fanajana ny didy aman-dalàna, fangaraharahana amin’ny fitantanana fifidianana, tsy fitanilana. Izay no nanaovan’ny Ceni ny antsapaka teny Alarobia, omaly, amin’izay ho filaharan’ny kandidà amin’ny biletà tokana, tabilao fampielezan-kevitra, fandraisam-pitenenana amin’ny haino aman-jerim-panjakana. Taorian’ny antsapaka natrerahan’ireo kandidà na ny solontenany, nohazavain’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, ny dingana amin’ny zotram-pifidianana. Lasa […]
Jly Rakotoarijaona Josoa : “Vonona hiaro ny safidim-bahoaka ny Foloalindahy”
«Mandalo kihon-dalana lehibe ny firenentsika ankehitriny dia ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Zava-dehibe ho anay ny hahafantaran’ny vahoaka malagasy hiaro ny vahoaka, indrindra ny safidim-bahoaka», hoy ny minisitry ny Fiarovam-pirenena, ny Jly Rakotoarijaona Josoa, tamin’ny lanona-miaramila fanolorana faneva ireo jeneraly 36, taona 2022, teny amin’ny Vondron-tafika mpilatsaka an’elonaina, Ivato, […]




