Politika

Fifidianana filoham-pirenena : 13 tamin’ny 28 nametraka antontan-taratasy no nahafeno fepetra

Navoakan’ny HCC afakomaly, ny lisitra ofisialy ho an’ ireo kandidà nahafeno fepetra, hofidina ho filoham-pirenena. Miisa 15 ireo voailika raha 13 kosa ireo kandidà ara-dalàna, hifaninana. Nahafeno ny fepetra avokoa izy ireo. Enina amin’ireo mpifaninana, samy efa nisedra ny safidim-bahoaka tamin’ny fifidianana filoham-pirenena avokoa. Anisany Ravalomanana Marc, Ratsie­tison Jean Jacques, […]

Mitondra firenena ny governemanta : tsy nandray fahefana ny Antenimierandoholona

Nanda ny fahefana nomen’ny lalàna azy ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana. Miara-mitantana ny firenena, araka izany, ny governemanta. Nametra-pialana ny 9 septambra teo ny filohan’ny Repoblika Rajoe­lina Andry, taorian’ny fankatoavan’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana na ny HCC ny maha kandidà filoham-pirenena azy. Tokony hisahana izany andraikitry ny filoham-panjakana vonjimaika […]

Fiahiahiana kolikoly tany Londres: naverina any am-ponja i Andrianarisoa Romy Voos

Naverina any am-ponja ny tale kabinetra teo aloha, eo anivon’ny Prezidansa, Andrianarisoa Romy Voos. Niakatra fitsarana tao Londres, omaly ny raharaha ary mbola hiverina hotsaraina ny tenany sy ny mpiara-miasa aminy. Nanda sy tsy niaiky ny fiampangana azy hatramin’ny farany ity tomponandraikitra teo aloha eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika ity […]

Firotsahan-kofidina: nisintaka tsy ho kandidà koa Ratsiraka Annick

Niala an-daharana tsy ho mpifaninana amin’ny fifidianana ny sekretera nasionalin’ny Arema, Ratsiraka Annick. Nambarany fa noho ny feon’ny fieritreretana no nandraisana izao fanapahan-kevitra izao. “Tsy voahaja ny fiandrianam-pirenena ary voahitsakitsaka ny soatoavina Repoblikanina. Voahosihosy ny vahoaka“, hoy ny eo anivon’ny antoko Arema. Notsiahiviny fa tsy mifanaraka amin’ny foto-kevitr’izy ireo izao […]

IDC.CDI aty Afrika: voafidy ho filoha lefitra  A. Hajo

Notanterahina tamin’ity herinandro ity, tany Cap-Vert, ny fivorian’ny komity mpanatanteraka eo anivon’ny « Internationale Démocrate Centriste – IDC.CDI”. Nitarika izany ny filohany, i  Andrés Pastrana. Anisan’ny tafiditra amin’ny fihaonana ny momba ny fifidianana ka voafidy ho filoha lefitry ny IDC.CDI  aty Afrika, ny kandidà ho filoham-pirenena, Andrianainarivelo Hajo. Tsiahivina fa […]