Politika

Lisi-pifidianana: « Efa nahitsy ireo lesoka », hoy ny OIF

Nifarana omaly ny dian’ny iraka manokan’ny « Organisation Internationale de la Francophonie » (OIF), teto Madagasikara. Fanaraha-maso ny momba ny fahalavorarian’ny zotram-pifidianana, indrindra amin’izao mialoha ny fifidianana izao, no tena anton’ny iraka. « Azo antoka ny lisi-pifidiana », hoy ireto iraka manokan’ny OIF ireto. Nanambara ihany koa izy ireo fa efa tontosan’ny Vaomiera manokana […]

Solonomenjanahary Aristide: “Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”

Hanao ahoana ny fiatrehana sy fanatanterahana fifidianana amin’izao? Tsy vahaolana ny fihemorana, raha ny fijerin’ny filohan’ny ONG Taheza, i Solonomenjanahary Aristide. Fanehoan-kevitra… “Tsy vahaolana ny fanemorana ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny ONG Taheza any amin’ny faritra Anosy, i Solonomenjanahary Aristide, manoloana ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao. Ao anatin’ny […]

Ceni: “Nitombo 1987 ny isan’ny biraom-pifidianana”

“Tsy tokony hisy izany biraom-pifidianana matoatoa izany”, hoy ny filoha lefitry ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, teny Alarobia, omaly, ny amin’ny resaky ny mpisehatra politika sasany hoe misy biraom-pifidianana tsy mazava amin’izao fifidianana filohan’ny Repoblika izao. Tsy fahefan’ny Ceni ny mamorona na mampitombo ny isan’ny fokontany. Nitombo 1 987 ny isan’ny […]

Fametraham-pialan’ny filoha: nangata-panazavana amin’ny HCC ny PM

Nangatahan’ny Praiminisitra Ntsay Christian fanazavana amin’ny Fitsarana avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny And. 46, andl 2, amin’ny Lalàmpanorenana, afakomaly. Voalaza amin’izany fa ny filohan’ny Repoblika am-perinasa izay mirotsa-kofidina amin’ny fifidianana ho filohan’ny Repoblika dia mametra-pialana amin’ny toerany 60 andro alohan’ny hanatanterahana ny fifidianana filohan’ny Repoblika. Amin’izay anton-javatra izay, ny […]

Firotsahan-kofidina: tafapetraka eny amin’ny HCC ny dosien’ny filoha Rajoelina

Anisan’ireo kandidà hirotsaka hofidiana ho filoham-pirenena ny filoha Rajoelina Andry. Tafapetraka, omaly tolakandro ny antontan-taratasy firotsahany. Nohamafisiny tetsy Mahamasina izany maha kandidà azy izany. Nisolo tena ny filoha Rajoelina Andry nanatitra ny dosieny teny Ambohidahy ny “Mandataire“, i Solofoniaina Michkael, omaly tolakandro, amin’ny fotoana nikabarian’ny filoha ny haha kandidà azy […]