“Voalazan’ny lalàna fa manan-jo hanatona fitsarana ireo nisoratra anarana tamin’ny takelaka fanisana mpifidy, nefa tsy tafiditra anaty lisi-pifidianana“, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly. Ny fitsarana ihany no afa-mamoaka didy hampidirana anarana ao anatin’ny lisi-pifidianana efa nofaranana. Heverin’ny Ceni fa tsy mifanohitra amin’ny lalàna raha izy no […]
Politika
Fizakan’ny filoha zom-pirenena vahiny: miantso ny Foloalindahy haneho hevitra ny MMM
Nohitsin’ny kandidà, i Andrianainarivelo Hajo fa manao fanambarana sy maneho hevitra hatrany ny Foloalindahy rehefa sahirana ny mpitondra fanjakana. Voizin’izy ireo amin’izany ny fiarovana ny Andrimpanjakana. “Voantohintohina izany Andrimpanjakana izany anefa izao satria filoham-panjakana am-perinasa no nangataka zom-pirenena vahiny ny taona 2013. Mba te aheno ny Foloalindahy izahay haneho hevitra”, […]
Antoko HVM: “Ilaina ny fifampiresahana”
“Anaovanay antso avo na ho an’ny fanjakana, na antoko, na kandidà: tsy lany andro ny fifampiresahana momba ny fifidianana”, hoy ny fanehoan-kevitry ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo; eny, na efa nanambara ny firotsahan-kofidina aza ny filoha mpanorina ny antoko. Betsaka ny ohatra velona teto amin’ny firenena na ireo […]
Niatrana teny Mandriamena ny Emmo/Reg: tsy tafiditra tao amin’ny ISTS ireo kandidà…
Nikasa hanao fikaonandoha tao amin’ny ISTS, eny Mandriamena, ireo kandidà sy ireo depiote maromaro, eo anivon’ny “Hetsiky ny olom-pirenena, Madagasikara tsy entin’ny vahiny”, omaly. Efa niatrana teny amin’ny vavahadin’ity foiben-dry Masera ity ny Emmo/Reg. Nosakanan’izy ireo tsy hiditra tao ireo kandidà. Nambaran’ny solontenan’izy ireo, Rajaonarimampianina Hery fa hivory ao ny […]
Raharaham-pirenena: nidinika teny Iavoloha ny filoha Rajoelina Andry sy ny FFKM
Mahatsiaro manana andraikitra lehibe eto amin’ny firenena ny eo anivon’ny FFKM, amin’ny maha Raiamandreny am-panahy azy ireo. Izany indrindra no nanosika azy ireo nanao antso avo sy nikarakara hetsika maro, indrindra ny mahakasika ny fifidianana. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fihaonana teo amin’ny filoham-piangonana efatra, mivondrona ao anatin’ny […]




