Nihaona tamin’ny vahoakan’i Talata Volonondry teny an-tsena ny filoha nasionalin’ny Tim. Nitafa mivantana tamin’ireo tantsaha ny tenany. “Tsy maintsy hatao ny hanampiana anareo rehetra manerana ny Nosy amin’ny fambolena sy ny fiompiana”, hoy izy. Anisan’izany ny fanamorana ny fahazoana ny zezika, ny masomboly, ny fanarenana sy fanamboarana lakandrano, manondraka ny […]
Politika
Fikarakarana ny bileta tokana : amin’ny alatsinainy ny antsapaky ny laharan’ny kandidà
Nambaran’ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama, ireo tetiandro manaraka amin’izao hiatrehana ny fifidianana izao. Anisan’izany ny momba ny ho filaharan’ireo kandidà anatin’ny biletà tokana. “Hotanterahina ny alatsinainy izao ny antsapaka ho an’ny laharan’ireo kandidà, amin’ny biletà tokana”, hoy izy, omaly, teny Alarobia. Nandray ireo solontenan’ny Frankofonia (OIF) ny tenany tamin’izany. Notsindriny fa izany laharana […]
Fehinkevitry ny kongresy nasionaly : atolotry ny TGV ho kandidà ny filoha Rajoelina
Efa nampoizina. Tapaka tamin’ny kongresy nasionalin’ny TGV omaly, teny Ivato, fa ny filoha am-perinasa, Rajoelina Andry no hatolotra ho kandidà amin’ny fifidianana filoham-pirenena. Hiakiaka sy horakoram-pifaliana ny nandraisan’ny rehetra izany, fanambarana izany. Niraisan’ireo mpizaika an’arivony hevitra niatrika izany fa tsy ampy ny fotoana tokony hitokanany ireo zava-bita. “Tahotra izany fampandrosoana […]
Fanahiana korontana: nahetsika hiatrana teto an-drenivohitra ny Emmo/Reg
Niatrana vao maraimbe tamin’ireo toerana samihafa teto an-drenivohitra, ireo mpitandro filaminana marobe, omaly. Voalaza fa ho fisorohana ny korontana ny anton’izany. Samy nahitana ireo eo anivon’ny Emmo/Reg ny teny amin’ny kianjan’ny 13 mey sy ny teny Analakely. Ny teny amin’ny manodidina ny Magro Behoririka ary koa ny kianjan’Ambohijatovo, hatreny Ankatso. […]
Antoko TGV/Mapar: miantso ny haha kandidà ny filoha Rajoelina ny kongresy
Mirona mankany amin’ny fangatahana ny ho firotsahan-kofidin’ny filoha am-perinasa, Andry Rajoelina, ny kongresy nasionalin’ny TGV/ Mapar, eny amin ‘ny CCI Ivato. Nanomboka omaly izany, ary hampahafantarina anio ny fehinkevitra. Tonga maro, naneho ny heriny teny an-toerana ireo mpikatroka rehetra, hatreny ifotony manerana ny Nosy ka hatramin’ireo mpitantana, eo anivon’ny birao […]




