Manaraka akaiky ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny antoko MFM ary mitondra sosokevitra sy vahaolana hatrany. Nambaran’ny filoha mpiara-mitantana, Randrianirina Ignace, fa tonga ny fotoana hametrahana ny fahaleovantenan’ny faritra. “Hitondra filaminana sy fivoarana ary fampandrosoana malaky ho an’ny mpiray firenena ny firosoana amin’izany. Miantso ny mpiray firenena rehetra izahay hiroso amin’ny […]
Politika
Ceni : “Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra”
Nitondra ny fanehoan-keviny momba ny fifidianana izay hitantana ny faritra ny Ceni, omaly. Tokony hirosoana izany, araka ny nambaran’Andriamarotafika Soava, mpampaka-teny. Tokony hatao ny fifidianana izay hitantana ny faritra, raha ny nambaran’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, raha nanontaniana ny tohin’ny fanatanterahana fifidianana manaraka taorian’ny fifidianana ben’ny Tanàna […]
Fivato : “Tokony homena fahefana ny amin’ny filaminana ny eny ifotony”
“Raha tsy ny olom-pirenena ifotony no mandray anjara sy andraikitra amin’ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana amin’ny maha tompon-draharaha azy, nofinofy ihany izay tena hisiana fandriampahalemana maharitra eto amin’ ny firenena.” Io ny fanehoan-kevitry ny filohan’ny fikambanana Fiaraha-mientan’ny vondron’olona afaka tomponandraikitra (Fivato), Radimbielson William, ny faran’ny herinandro teo, manoloana ny tsy […]
Mpitondra tenin’ny governemanta : “Aoka mba ho tsikera mampandroso”
Nohitsin’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina (MSK), i Volamiranty Donna, ny eo anivon’ny fanoherana, ny faran’ny herinandro teo. Nametra-panontaniana mihitsy aza ny tenany. “Inona ireo fampandrosoana mba nentin’ny mpanohitra?”, hoy izy. Nomeny lesona sy fampahatsiahivana ny eo anivon’ny fanoherana. Fampandrosoana no tokony himasoan’ireo antoko mpanohitra fa tsy fanakorontanana lava […]
Oniversite sy ny MFFT : Hiaraha-miatrika ny fiovan’ny toetr’andro
Miady amin’ny fiovaovan’ny toetr’andro ny oniversite. Miara-miatrika aminy amin’izany ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany. Samy nitondra ny traikefany sy nifampizara momba ny fiatrehana ny fiovaovan’ny toetr’andro ireo mpampianatra mpikaroka, mpianatra, foibe fikarohana ary ny mpiara-miombona antoka. Fa teo koa sady niahy izany ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana […]