Politika

Fandrobana ny volam-panjakana: Mitaky ny tohin’ny fanadihadiana ny KFM/Cnoe

Nankasitraka ny fangaraharahan’ny Fitsarana momba ny kaonty araka ny tatitra ny taona 2025 ny KMF/Cnoe, araka ny nambaran’izy ireo ny herinandro teo. Notsiahivin’izy ireo tamin’izany fa mitentina 3 811 miliara Ar ny very, tsy tafiditra tao amin’ ny kitapombolam-panjakana. Notsiahivin’ity fiarahamonim-pirenena ity ny fanambaran’ireo rafitra mpanara-maso ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny […]

FANTINA sy FINTINA

Efa eto ireo mpikarama anady Frantsay miisa 10, araka ny nambaran’ny mpanolotsain’ny filohan’ny Fanavaozana, Harifidy Ramandraibe. Tonga ny 8 janoary teo izy ireo ary voalaza fa hiverina avy hatrany. « Voamarina anefa fa mbola eto izy ireo. Voalaza koa fa miafina amin’ny maha mpiasa eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsarana Frantsay azy izy […]

Depiote Rakotoniaina Pety : “Fitadiavan-tseza ny fandravana andrimpanjakana”

“Teren’ny fitiavan-tseza fotsiny hoe ravana ny Anteni­mierampirenena, dia manangana Antenimieram­panore­nana, dia misy seza hozaraina. Izay fotsiny no zava-dehibe, fa tsy misy hoe: raha hatao izany, inona ny fiantraikany amin’ny fiainam-pirenena? Hanao ahoana ny fiainana amin’izao efa fahasahiranana izao” ? Io ny fanehoan-kevitry ny depiote tsy miankina voafidy tany Ikalamavony, Matsiatra Ambony, […]

FANTINA sy FINTINA

Nanao fanambarana avy hatrany ny PDS vaovao eto Antananarivo Renivohitra, Ralambomanana Feno. « Hiezaka hamafa ireo tsy nety isika ary hanohy ny tsara mila hotohizana entina hampandrosoana ny tanàna », hoy izy. Nanteriny fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa amin’ny ankolafin-kery rehetra ny tenany amin’ny fanantanterahana izany andraikitra izany. Tsy ekena ary melohina tanteraka […]