Politika

Depiote Ramilison Nomenjanahary: “Manimba firenena ny fandravana andrimpanjakana”

“Nisy teto ny krizy tamin’ny 2009, ny antoko politika rehetra tsy lany teto amin’ny firenena no niditra CST sy CT tamin’izany. Efa tsy nety ireny natao ireny. Mbola haverina aty amin’ny 2026 indray ve” ? Io ny fanehoan-kevitry ny de­piote voafidy tany Faratsiho, Faritra Vakiankaratra, tamin’ny anaran’ny Firaisankina, Ramilison Andriamampionona Nomenjanahary, […]

Tolo-kevitra amin’ny fikaonandoha: Hanitsy ny tsy fitoviana isam-paritra ny MMM

Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny birao politikan’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Anisan’ny hitondra tolo-kevitra amin’ny fikaonandoham-pirenena izy ireo. Nivoitra tamin’izany fa mandala hatrany ny fifampidinihana eo amin’ny samy Malagasy ny MMM ary saro-piaro amin’ny firasaim-pirenena. «Ilaina ny fanitsiana ny tsy fitoviana misy eo amin’ny faritra, amin’ny alalan’ny famerenana ho laharam-pahamehana […]

FANTINA sy FINTINA

Voatendry ho PDS Antananarivo Renivohitra, ny depiote Tim, Ralambomanana Fenoherintsoa, araka ny didy navoakan’ny minisiteran’ny Atitany, omaly. Manampy azy amin’izany eo amin’ny toeran’ny filoha lefitra voalohany, Ralaiarison Nirina Thierry raha filoha lefitra faharoa, Ranaivoson Ny Hery Mananjara. Nahagaga ny filoha teo aloha, Ravalomanana Marc, ny tsy nanatrehan’ny FFKM ny fanokafana […]

Fiarahamonim-pirenena maromaro: « Apetraho ny sehatra ifampiresahana… »

Nanao fanambarana ireo fiarahamonim-pirenena maherin’ny 100, omaly, manoloana ny raharam-pirenena. Nota­kian’izy ireo ny hanajana tanteraka ny zo fototra ataon’ny manampahefana sivily sy miaramila amin’ny fitantanana ny toe-draharaha manahirana ankehitriny eto amin’ny firenena. « Takianay ny hametrahana sehatra fifampiresahana, ahafahan’ireo mpisehatra re­he­tra, indrindra ny fikamba­nan’­ny tanora, haneho amim-pilaminana ny heviny », hoy ireto […]

Savorovoro eto amin’ny firenena ; Saika ho vonoina amin’ny “Drones” ny Kly Randrianirina Michaël

Nilaza ny Fiadidiana ny Repoblika fa nisy nitady hamono tamin’ny “Drones” ny Kly Randrianirina Michaël. Miantso fitoniana sy fifampiresahana ny mpitandro filaminana. ”Efa nalefa nody ny mpitarika Gen Z miisa roa”, hoy ny polisy. Araka ny fampitam-baovaon’ny talen’ny serasera eo anivon’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Re­poblika, Rahajasona Harry Laurent, tamin’ny […]