Politika

Fivorian’ny COI hatao eto Madagasikara : Manomana ny fahatongavan’ny filoha frantsay ny MAE

Efa miroso tsikelikely ny fanomanana sy ny fikarakarana ny fihaonana an-tampon’ny Vaomieran’ny ranomasimbe Indianina (COI) ka handraisana ireo filoham-panjakana maromaro eto amintsika. Araka izany, niompana amin’ny hitsidihan’ny filoha frantsay, Emma­nuel Macron eto Madagasi­kara ny fifampiresahana an-telefaonina teo amin’ny minisitra Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitra misahana an’i Eo­ropa sy ny Raharaham-bahiny […]

Fiovaovan’ny toetr’andro : Nizarana traikefa ireo eny ifotony

Nambaran’ny talen’ny fampandrosoana maharitra ny tanàna, eo anivon’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany (MFFT), Ramaroson Miary, fa mitohy ny fifampizarana traikefa. Efa nisy ny fiofanana teo aloha momba ny fiatrehan’ny tanàna sy ny kaominina ary ireo minisitera samihafa ny fiovaovan’ny toetr’andro, araka ny nambarany. “Miditra amin’ny fampiofanana sy […]

Fitsidihana tampoka nataon’ny minisitra : Nakatona ny fonjan’i “Maputo” eny Antanimora

Nisy ny fitsidihana tampoka nataon’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotomandimby Alexis Bejamin Alexis, teny amin’ny fonjan’Antanimora, omaly maraina. Fepetra maromaro no noraisina tamin’izao fidinana ifotony izao. Anton’ny fitsidihana tampoka ny fijerena ny fom­ba fiasa sy ny lesoka amin’ny fitantanana ity fonja ity. Hijerena koa ny ahafahana manampy ireo mpandraha­rahan’ny fonja amin’ny […]

Mpitondra tenin’ny governemanta : “Nisy masontsivana ny nahazoan’ ny filoha amboara”

Nitondra fanazavana amin’ ny nahazoan’ny filoha Rajoelina Andry ny amboara nahavoafidy azy ho mpitarika politika Afrikana mendrika 2024, ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina, Volamiranty Mara Donna, omaly. “Nandalo masontsivana ny fisafidianana eo anivon’ny African Leader­ship Magazine, ankoatra ny safidy avy amin’ny daholobe”, hoy izy. Nanteriny fa manana vina […]

CUA sy ny Banky iraisam-pirenena : Nanaovana tombana ny tetikasa Produir

Noraisin’ny ben’ny Ta­nànan’Antananarivo, Rama­nan­tsoa Harilala, tetsy amin’ny Lapan’ny Tanàna Anala­kely, omaly, ny iraka manokana avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, Catalina Maru­landa. Anisan’ny iandraiketany ny sampandraharaha mo­mba ny fampandrosoana an-tanàn-dehibe, ny fananan-tany ho an’ny faritra Afrika Atsi­nanana sy atsimon’i Afrika. Nifantohan’ny fifanakalozan-kevitra eo amin’ny andaniny sy ankilany ny momba ny fandaharanasa Produir, […]