Nisokatra omaly ary hitohy hatramin’ny rahampitso ny “Andro iraisam-pirenena ho an’ ny faritra – Jir” any amin’ny faritra Atsimo Atsinanana. Niatrika izany ny Praiminisitra sady lehiben’ny governemanta ifarimbonana, i Ntsay Christian. Nambarany tamin’izany fa laharam-pahamehana ny fametrahana ny fitsinjaram-pahefana tena izy ahafahana mitondra ny fampandrosoana eny ifotony. “Porofon’ izany ny […]
Politika
Vovonana JPRM : manohana sy hampandany ny kandidà n°3
Mivoaka tsikelikely ny mpanohana ny kandidà laharana fahatelo, Rajoelina Andry. Taorian’ny antoko RPSD, nilaza ny heviny koa ny vovonana Jeunes Patriotes Revolutionnaires Malagasy na JPRM. Namory ny mpikambana tao aminy sy nitafa tamin’ny mpanao gazety, omaly, teny amin’ny hotely Colbert ny Vovonana JPRM. Nivoitra tamin’izany ny fahavononan’ny mpikambana hanohana sy […]
Antoko Maitso : “Tsy hiverin-dalana isika fa efa miroso amin’ny fifidianana”
Naneho ny heviny ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara, manoloana ny raharaham-pirenena. “Mampiseho ireo dingana rehetra vita hatramin’izao fa tsy hiverin-dalana isika. Efa miroso any amin’ny fifidianana, araka ny daty efa voatondro”, hoy ny filoha nasionaly, Alexandre Georget, tetsy Antaninarenina, omaly. Notanisainy fa anisan’ny efa vita ny fanavaozana ny lisi-pifidianana, ny […]
Fiatrehana fifidianana : nikaton-trano tetsy Ambohidahy ireo kandidà sy ny HCC
Tonga namaly ny antso sy ny fanasana nataon’ny filohan’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC), omaly maraina, ireo kandidà miisa 10. Tsy nisy nipika ny dinika tamin’izany. Tsy azo natrehin’ny mpanao gazety ary nambenan’ny mpitandro filaminana mafy ny fidirana tetsy amin’ny Lapan’ny HCC Ambohidahy nandritra izany. Miisa 10 ireo kandidà […]
AMBASADAORON’I AFRIKA ATSIMO: Hitondra ny raharaha eo anivon’ny Sadc
Noraisin’ny ambasadaoron’i Afrika Atsimo, i Sisa Ngomba, ny fiandohan’ny herinandro teo, tetsy Ankorondrano ireo kandidà miisa 11. Nampanantena sy nanome toky ny masoivoho fa hampita amin’ny governemanta Afrikanina Tatsimo ny vontoatin’ izao fihaonana teo amin’izy ireo izao. “Tena manan-danja sy maika izao dinika izao… Manana rafitra misahana ny lafiny fiarovana […]




