Politika

FANTINA sy FINTINA

Mpomba ny filoha teo aloha sy ny forongony ny 90 % amin’’ireo manodidina an’i Kly Randrianirina Michaël, raha ny nambaran’ny filohan’ny vovonana Tafita, Andriamiseza Alain. « Sarotra ny hisian’ny tena fanovana araka ny fitakian’ny vahoaka teny an-kianja », hoy izy. Nambarany fa anisan’ny nanome vola ireo Capsat koa izy ireo tamin’ny tolona. […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy afa-miala amin’ny fanavaozana ny Tafika”

“Tafika milamina, firenena milamina; Tafika mandroso, fi­renena mandroso”, hoy ny filohan’ny Fanavaozana ny Re­poblikan’i Madagasikara, ny kolonely Randrianirina Michaël, nanomboka ny fikaonandoham-pirenena ho an’ny Tafika teny amin’ny CCI, Ivato, omaly. Miompana amin’ny tari-dalana stratejika telo ny Politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) ho amin’ny fanovana. Eo ny famaliana ao anatin’ny fotoana fohy […]

Tonga indray ny iraky ny Sadc : Raikitra ny fakan-kevitra ho amin’ny Tetezamita

Nigadona eto Antananarivo, omaly, ireo delegasionina avy amin’ny Sadc, tarihin’ny filoham-pirenena teo aloha an’i Malawi, ny Dr Joyce Banda. Hanelanelana ho amin’ny famahana olana amin’ny toe-draharaham-pirenena izy ireo. Manohana izany ny eo anivon’ny Vondrona mpanoro hevitra ho an’ny fanelanelanana (Groupe de référence pour la méditation). Hanatanteraka iraka ireto antsoina hoe […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy mahazatra ny sasany ny ady amin’ny tsimatimanota, araka ny nambaran’ny minisitry ny Fitsarana, Fanirisoa Ernaivo. « Tsy midika ho valifaty politika izany. Tanjona ny hahafahan’ny vahoaka misi­traka marina ny harem-pireneny fa tsy famoretana na fanenjehana olona tsy an-drariny », hoy izy tetsy Anosy ny zoma teo. Lohalaharana amin’ny fanampian’i Frantsa ny […]

Fitantanana eny ifotony : Misy fepetra ny fifidianana lehiben’ny fokontany

Miandry aloha. Namba­ran’ny minisitry ny Atitany sy ny fitsinjaram-pahefana, Ra­kotonandrasana Velonjara Tiaray, fa misy fepetra ny firosoana amin’ny fifidianana ireo ho lehiben’ny fokontany. « Tena ilaina fitoniana izany vao hotanterahina. Miankina amin’ny zava-misy », hoy izy. Nanteriny fa efa vonona hiroso amin’izany ny eo anivon’ny minisitera tantaniny amin’ny andraikitra tandrify azy. Na […]