Notanterahina tetsy amin’ ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny (MAE), tetsy Anosy, omaly ny atrikasa momba ny Politika nasionaly ho fampandraisana andraikitra ireo zanaka am-pielezana “Lettre de politique nationale d’engagement de la diaspora – LPNED”. Nivoitra tamin’izany ny fanentanana ireo zanaka am-pielezana mba hiady amin’ny fahantrana ho fampandrosoana ny firenena. Nitarika ny atrikasa […]
Politika
Tetikasa PTASO: hisy ny fiaraha-miasa eo amin’ny MFFT sy ny MICC
Tontosa omaly, ny fivoariana mahakasika ny « Projet de Zone de Transformation Agro-Industrielle dans la région du Sud- Ouest » PTASO. Tetikasan’ny minisiteran’ny Indostria sy ny varotra (MICC), vatsian’ny Banky afrikanina momba ny fampandrosoana (BAD) vola izy ity. Ny ho fanohanan’ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fananan-tany (MFFT) amin’ny fahazoana ny fiarovana ny […]
“Tsy manara-dalàna ny mpitondra”
Nitondra ny heviny manoloana ny hanoloran’ny praiminisitra ny fandaharanasa ho fanatanterahana ny politika ankapoben’ny fanjakana (PGE) koa ny mpitondra tenin’ny vovonana Firaisankina, i Paraina Auguste. Nanamafy ny voalazan’ny mpanorina ny Tim, Ravalomanana Marc, ny tenany tamin’izany. “Tsy manaraka ny lalàna io fiantsoana ny fivoriana tsy ara-potoana ho an’ny parlemanta io […]
Anto-bola: fanatsarana ny fifidianana
“Tsy maintsy asiana ny anto-bola amin’ny fifidianana, satria lasa 35, ohatra, ny kandidà ho ben’ny Tanàna amin’ny kaominina iray. Tsy maintsy hasiana fepetra izany mba hahazoana manatanteraka azy”. Io ny fanehoan-kevitry ny depiote voafidy tao Fianarantsoa tamin’ny anaran’ny Irmar, Rajoelina Seth, ny amin’ny anto-bola hiatrehana ny fifidianana kaominaly. Izany tsy […]
Na tsy mivoaka aza ny tetiandro: miomana hatrany amin’ny fifidianana ny Ceni
“Raharaham-pirenena ny fifidianana ary ny lalàna no manery ny tomponandraikitra isan’ambaratonga hiroso amin’ny fanatanterahana izany”, hoy ny fanazavan’ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, afakomaly, momba ny fanatanterahana ny fifidianana kaominaly. Tsy misy antony tsy hahavonona sy tsy hahatombana ny enti-manana amin’izany. Adidin’ny Ceni no mifampiraharaha amin’ny tomponandraikitry ny fitantanam-bolam-panjakana, […]