Politika

FANTINA sy FINTINA

Hopotsirina sy hofantarina mandritra ny fikaonandoha savaranonando eny amin’ ny CCI Ivato, anio, avokoa ireo lesoka sy ny tsara ho fantatra rehetra teo anivon’ny Ceni, araka ny nambaran’ny filohany, Rakotonarivo Thierry. Miisa valo ireo lohahevitra hodinihina, handraisan’ireo mpisehatra rehetra amin’ ny fifidianana anjara. Norasin’ny minisitry ny Raharaham-bahiny, N’Diaye Alice, teny […]

Kolonely Randrianirina Michaël : “Tsy handroso raha tsy miverina an-doharano”

“Miverina an-doharano isika, raha te handroso”. Io ny nambaran’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika, ny kolonely Randrianirina Michaël, nitsidika tany Ma­hajanga, nandritra ny roa andro, tamin’ny fiandohan’ny herinandro. Nampirisika ny mpiasam-panjakana hanao fitafy malagasy izy amin’ny fankalazana ny 26 jona. Mba havela ny “costard”. Nisy ny fitokanana fotodrafitrasa vitsivitsy ao amin’ny […]

Antenimierampirenena : Misy miketrika ny hanolo ny solontenany ao amin’ny HCC

Namoaka fanambarana ireo mpitsara avo eo anivon’ny HCC, i Noelison William sy Rasolo Nandrasana Georges Merlin. Toherin’izy ireo marindrano ny fanapahan-kevitry ny Antenimierampirenena amin’ny hanoloana ireo solontenan’i Tsimbazaza etsy Ambohidahy. Miketrika ny hanolo ny solontenany eo anivon’ ny HCC ny ao amin’ ny Antenimierampirenena amin’ ity anio ity, raha tsy […]

Kolonely Randrianirina Michaël: “Leo kolikoly ny vahoaka”

Nanamafy ny filohan’ny fanavaozana fa atao laharam-pahamehana ny ady amin’ny kolikoly, izay mankaleo ny vahoaka. Nasiany tsindrim-peo manokana ny fanamboaran-dalana sy ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Mitohy ny fitetezam-paritra hataon’ny filohan’ ny fanavaozana sy ny mpiara-miasa aminy. Nijery ifotony fanarenana ny lalam-pirenena faha-41, mampitohy an’Ikelikapona sy Fandriana izy, tamin’ny sabotsy. Tafiditra […]

KMF/Cnoe: “Be dia be tsy mazava momba ny fikaonandoha”

“Nanapa-kevitra hanara-maso ny fikaonandohan’ny olom-pirenena ny KMF/Cnoe. Ny fahitanay azy, mbola misy zavatra be dia be manjavozavo amin’ny olom-pirenena. Mila fanazavana”. Io ny fanehoan-kevitry ny filoha nasionalin’ny KMF/ Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert, tany Morondava, omaly, ny amin’ny fikaonandohan’ny olom-pirenena. Firy andro, ohatra, ny fikaonandoha eny anivon’ny fokontany, ahoana […]