Politika

Ambasadaoro Claire Pierangelo : “Hijery ny tombontsoan’i Madagasikara mandrakariva i Etazonia”

Tonga nanao veloma ny filohan’ny fiadidiana ny Fanavaozana ny Repoblikan’i Madagasikara, kolonely Randrianirina Michaël, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly, ny ambasadaoron’i Etazonia niasa sy nonina teto Madagasikara, i Claire A. Pierangelo. Tsy nisy nipika ny resaky ny roa tonta. Na izany aza, nambarany tamin’ny mpanao gazety fa: “mbola hijanona ho […]

FANTINA sy FINTINA

”Manantena ny FFKM ny vahoaka malagasy”, hoy ny hafatry ny filohan’ny Fanavaozana, ny kolonely Randrianirina Michaël, tamin’ny famindram-pitantanana teo anivon’ny FFKM teny amin’ny katedraly Andohalo, afakomaly. Mba ho olona tena tia tanindrazana no hikarakara ny fikaonandoham-pirenena, ary tsy hisafidy lalana hafa dieny mialoha. Hevitry ny Malagasy rehetra no angonina ao […]

Justice et Paix : “Aoka tsy ho diso ady atrehina isika”

“Amin’izao fotoana, ny feo heno avy amin’ny lafivalon’i Madagasikara: toa manom­boka mihena ny hafanam-po sy ny fanantenana niredareda tany am-boalohany”. Io ny fanambaran’ny Justice et Paix, voaray omaly, taorian’ny fihaonamben’ny eveka momba ny fandriampahalemana sy ny fiadanana eto Madagasikara, ny 16-18 janoary. Mitombo tsikelikely ny ahiahy noho ny zava-mitranga, toy […]

Sahondrarimalala Marie Michelle : Nampidirina vonjimaika am-ponja eny Avaradrano

Anisan’ny raharaha politika be mpanaraka, amin’izao fotoana izao, ny mahakasika ny minisitry ny Fanabeazana teo aloha, Sahondrarimalala Marie Michelle. Manameloka ny fitazomana azy ho tsy ara-dalàna ny mpanohitra. Niakatra fampanoavana teny anivon’ny fitsarana tapony, omaly alina, ny solombavambahoaka voafidy tany Fianarantsoa I, sady minisitry ny Fanabeazam-pirenena teo aloha, Sahondra­rimalala Marie […]

FANTINA sy FINTINA

Tsy anisan’ireo antoko politika 103 nanao sonia fifanarahana ny antoko Tiako i Madagasikara (Tim), hoy ny solombavambahoaka voafidy tany Ambatondrazaka sady filoha lefitry ny An­tenimierampirenena, Fidèle Razara Pierre, nandritra ny hetsiky ny Tim tany Toamasina, ny sabotsy lasa teo. Nambarany fa tsy nanao izany sonia izany izy ireo satria mijoro […]