Tsy tafiditra ny birao ny sefo fokontany vaovao eny Avaratetezana Ambohimanarina. Efa nivoaka ny naoty nanendry azy saingy nanohitra izany ny fokonolona eny an-toerana. «Tsy mipetraka ao amin’ny fokontany ity olona notendrenan’ny lehiben’ny distrika ity», hoy ny mponina. Efa nahangona sonia amin’arivo izy ireo nanoherana izany. Tsy tokony ho laniana […]
Politika
Filoha lefitry ny Antenimiera, depiote Fetra: « Mbola vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany »
Nambaran’ny filoha lefitry ny Antenimierampirenena, Ralambozafimbololona Andriantsivoafetra, fa tsy maintsy mbola hirosoana ny fifidianana filoham-pokontany. « Mbola fepetra vonjimaika ny fanendrena sefo fokontany ho an’ny eto Antananarivo Renivohitra aloha izao », hoy izy. Nolazainy fa tena nisy tokoa ny hetaheta teny an-dalambe nivoaka tamin’ny tolom-bahoaka ny amin’ny tokony hifidianana ny sefo fokontany. […]
Hafatra Pentekosta FFKM : “Aoka ho fiainantsika ny 4 F”
“Aoka ho fiainantsika ny 4 F: fiaiken-keloka, fibebahana, fahamarinana, fihavanana”. Izay ny hafatra Pentekosta FFKM, nampitainy omaly. Tao anatin’ny Fanambrana sy hafatry ny Komity foibe 47 sy fihaonambe FFKM, ny 19-21 mey 2026, nosoniavin’ny filoham-piangonana efatra mirahalahy. Tsy ho filamatra fotsiny ny 4 F, fa ampiharina eny an-tokantrano sy ny […]
FANTINA sy FINTINA
Nifarana omaly ny fakan-kevitra ho an’ny tanora eny anivon’ny faritra, natao tao Antsirabe, Faritra Vakinankaratra. Hifidy ny hisolo tena azy ireo any amin’ny fikaonandoham-pirenena ireo tanora hitondra ny teniny. Tsiahivina fa niainga tany amin’ny kaominina sy ny distrika ny fakan-kevitra ary izao eo amin’ny Faritra izao. Takina ny hitondrana fanazavana […]
Pasitera Tsarahame Edouard: « Tena ilaina ny fiaraha-midinika »
Manoloana ny fivoaran’ny toe-draharaha politika, ankehitriny, nitondra ny heviny ny eo anivon’ny antoko RMDM, tarihin’ny pasitera Tsarahame Edouard. Niaiky ity farany fa misy tokoa ny savorovoro amin’ny fitantanana ny firenena. Nambarany fa anton’izany ny tsy fifandrifian’ny lalàna sy ny notakin’ny mpitolona. « Napetraka araka ny lalàna, nifototra tamin’ny fahabangan-toerana ny mpitondra […]





