Politika

Fitantanana sy andraikitra: manentana ny tanora hanana faharetana i Ndremitsara Tarzan

Iza izy ? Ndremitsara Jean Baptiste Tarzan. 42 taona ary manan-janaka telo mianadahy. Anisan’ny sakafo tiany ny ganagana. Fialambo­liny ny mozika miaraka amin’ ny gadona mafana “Tropical” sy ny salegy. Tia baolina kitra sy “Box Française”. Anisan’ny nanamarika ny fiainany ka nahafaly azy ny nahatafidirany ho mpiasa ao amin’ny Ivontoeram-pirenena […]

Fitsarana Antananarivo : tsy misy fandraisana olona anio sy rahampitso

Noho ny fisian’ny fotoam-pitsarana amin’ny fanombohan’ny raharaham-pitsarana, taona 2023, eto amin’ny fitsarana ambaratonga voalohany, Antananarivo, ho an’ny firaketan-draharaha : tsy misy ny fandraisana olona anio sy rahampitso, araka ny nambaran’ny lehiben’ny firaketan-draharaha, fitsarana ambaratonga voalohany, Antanana­rivo, ny Me Herinatrehana Inham Ella, teny Anosy, afakomaly. Ao anatin’izany ny fitsa­rana ambaratonga voalohany rehetra […]

Fampiatoana ny filohan’ny Repoblika : tsy fahefan’ny HCC na ny HCDDED fa an’ny HCJ

“Mihoatra amin’ny anjara asany sy fahefany ny HCDDED. Tsy azy ny manao an’izany, na mandeha any amin’ny Fitsa­rana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) aza izy”, hoy ny fanazavan’ny filohan’ny Antenimierampirenena, Raza­na­mahasoa Christine, teny Tsimbazaza, afakomaly, momba ny fangatahan’ny depiote 23 ta­min’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fan­jakana tan-dalàna […]

Namearison Robert : “Ny vahoaka no tokony hahazo tombontsoa amin’ny asan’ny mpanao politika”

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mihahenjana hatrany ny fifanandrinana politika. Aiza ho aiza amin’izany ny vahoaka? Maneho ny heviny ny avy amin’ny firaisamonina sivily, filoha nasionalin’ny KMF/Cnoe, Fanabeazana olom-pirenena, i Namearison Robert: “Ny vahoaka no tokony hahazo tom­bontsoa amin’ny asan’ny mpitondra na ny mpanohitra” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Ny fahitanao […]

Teny momba ny filohan’ny Fizafafi : niala tsiny tamin’ny filohan’ny Antenimiera i Kaleta

“Ny nivorianay tao: nilamina ny anay mianadahy, izaho sy ny filohan’ny Ante­nimierampirenena. Misy ny fifankahazoana. Nifanazava sy nifamela izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repo­blika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, ny amin’ny fihaonana teo aminy sy ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fiza­fafi, […]