Politika

Takaitran’ny rivodoza any Menabe : nitondra fanampiana ho an’ny traboina ny MMM

«Tsy haiko ny tsy hitsidika ireo traboina vokatry ny fandalovan’ny rivodoza «Freddy» Nitondra ny kely azo nentina izahay, ho fanamaivanana ny fahasahiranantsika mpiray taninjanaka amintsika, amin’izao voin-kava mahatratra izao», hoy ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo, nitsidika ny tany Morondava, afakomaly. Etsy andaniny, namory ireo mpikambana eo ani­von’ny […]

Loza voajanahary : hanampy ny Vondrona Eoropeanina

Fanamafisana ny fiaraha-miasa. Nandray ny kaomisera eoropeanina, momba ny fiahiana ny maha olona sy ny fiatrehana krizy, i Janez Lenarčič ny filoha Rajoelina Andry, omaly. Notanterahina teny amin’ny lapam-panjakana Iavoloha ny fihaonan’ny roa tonta tamin’izany. Voaresaka ny momba ny voka-dratsin’ny fiovaovan’ny toetr’andro eto amintsika. Eo koa ny fiatrehana izany. Anisan’izany […]

KMF/Cnoe: “Mbola tsy tara ny fanavaozana ny lalàm-pifidianana”

Nitondra ny heviny sy ny fomba fijeriny ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny KMF/Cnoe. Anisan’izany ny momba ny hiatrehana ny fifidianana amin’ity taona ity. “Ilaina ary heverina fa mbola tsy tara ny hirosoana amin’ny fanavaozana ny lalàna mifehy ny fifidianana.” Io ny fanambaran’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena hoe “Fifidianana sy fitantanan-draharaham-panjakana ary […]

Fanamarihana ny andron’ny 8 marsa: nosakanan’ny Emmo/Reg ny hetsiky ny vehivavy Tim

Tsy mbola afa-bela raha mbola etsy Behoririka ? No­sakanan’ny Emmo/Reg, tsy afaka naneho ny fanamari­hana ny andron’ny 8 marsa ireo vehivavy eo anivon’ny Tim Analamanga, omaly. Nikasa ny hankalaza izany tetsy amin’ ny Magro Behoririka izy ireo saingy izao tsy tanteraka izao. Efa niatrana vao maraina teny an-toerana ireo mpitandro […]

Fanendrena loholona vaovao: haka fanapahan-kevitra lehibe ny filoha Rajoelina

Efa nankatoavin’ny eo anivon’ny HCC, ny fiandohan’ny herinandro teo, ny fahabangan-toerana iray ao amin’ny Antenimierandoholona noho ny nanendrena ny loholona teo aloha, Randriamanante­nasoa Landy ho minisitry ny Fitsarana. Navoitran’ny etsy Ambohidahy amin’izany fa anjaran’ny filohan’ny Repo­blika ny manendry ny mpisolo toerana, eo anivon’io An-drimpanjakana io. Midika izany fa haka fanapahan-kevitra […]