Politika

Fiatrehana fifidianana : hanampy amin’ny fanabeazana mpifidy ny Amerikanina

“Miezaka amin’ny fanabezana ny olom-pirenena ry zareo Amerikanina amin’izao. Mai­vamaivana ihany raha ny olom-pirenena no tsy mahafantatra ny momba ny fifidianana”, hoy ny filohan’ny Ceni, Andrianarisedo Dama Arsène, taorian’ny nandraisany ny am­basadaoro amerikanina, i Pie­rangelo Claire teny Alarobia, afakomaly. Mankasitraka ny fijoroana sy ny finiavan’ny Ceni amin’ireo fanamby hiatrehana ny […]

Fanendrena eo anivon’ny fiadidiana ny Repoblika : minisitra telo teo aloha nomena andraikitra vaovao

Ho fanajana ny manga­rahara, na ivelan’ny fanapa­han-kevitry ny filankevitry ny minisitra aza, nampahafantarina ny fanendren’ny filohan’ ny Repoblika an-dRajoelina Patrick ho mpanolotsaina ma­nokany misahana ny diplomasia sy ny fiaraha-miasa amin’ ny any ivelany; Raharinirina Baomiavotse Vahinala, ho mpanolotsaina manokana miandraikitra ny raharaha toekarena sy ny fifandraisana amin’ny sehatra tsy miankina; […]

Filoha Rajoelina Andry: “Soloina ireo tsy maharaka ny hafainganam-pandehan’ny TGV”

Nitondra fanazavana manoloana ireo fanesorana tomponandraikitra sy mpitantana sasany eto amin’ny firenena tato ho ato ny filoha Rajoelina Andry, omaly, teny Anosizato. Mazava ny nambarany tamin’ izany. Tsy niolaka fa nahitsy ny lahateniny, manoloana ny raharaham-pirenena sy ny fitantanana. “Hohafain­ganintsika ny “vitesse”-ny TGV. Solointsika ireo matoritory sy “midorodoro” na tsy […]

Minisitry ny Fitsarana: “Tsy ampy ny isan’ny mpitsara”

“Tsy ampy ny isan’ny mpitsara…”, hoy ny minisitry ny Fitsarana, Randriama­na­ntenasoa Landy Mbo­la­tiana, taorian’ny fotoam-pitsarana nanombohana ny taom-pitsarana, taona 2023, teny Anosy, omaly. Miasa mafy ny mpitsara amin’izay tsy fahampiana isa izay. Mbola tohizana ny ezaka amin’ny fanafainganana ny raharaham-pitsarana. Eo ny raharaha ady tany, ny ady heloka, ny famoahana […]

Arema : “Misahotakotaka ny politika”

“Misy ny fanontaniana hoe: misy fifidianana ve amin’ity taona ity? Betsaka ny manontany hoe: ahoana ihany ny fifidianana, handeha ve, ampy ve ny vola hanaovan azy… ? Misy miteny hoe hisy ny tetezamita, na izao na izatsy. Misahota­ko­taka ny politika”, hoy ny sekretera nasionalin’ny Are­ma, Ratsiraka Annick, teny Faravohitra, afakomaly, […]