«Tsy hita izay maharatsy ny fanehoan-kevitra politika nation-dRtoa Razanamahasoa Christine izay mitaky ny hisian’ny praiminisitra sy ny minisitra ao anatin’ny governemanta», hoy ny Profesora Rasamoelina, zanaky ny faritan’ny fianarantsoa raha nanontaniana. Samy mangataka ny hisian’ny praiminisitra sy minisitra ao amin’ny governemanta avokoa ireo fikambanana rehetra manerana ny faritanin’i Madagasikara. «Tsy […]
Politika
HCDDED: “Aoka hohajaina ny fisaraham-pahefana”
“Miantso ny andrimpanjakana tsirairay mba samy hanao ny andraikitra ary samy hanao ny asa mifanandrify aminy. Asanay ny mampahatsiahy antsika amin’izany andraikitra izany. Aoka isika tsy hanao ny asan’ny hafa”, hoy ny filohan’ny Filankevitra ambony miaro ny demokrasia sy ny fanjakana tan-dalàna (HCDDED), i Navony Pierre Lenoble. Tsy tombontsoan’olon-tokana no […]
Fifindra-monina an-drenivohitra : nanolotra paikady ho an’ny CUA ny OIM
Notanterahina omaly, teny amin’ny Carlton Anosy, ny fanolorana ny paikady entina mandrindra sy mitantana ny fifindra-monina aty amin’ny tanàn-dehibe. Atoa Roger Charles Evina, lehiben’ny delegasion’ny OIM, namita iraka teto Madagasikara no nanolotra izany an’ny ben’ny Tanànan’Antananarivo, Naina Andriantsitohaina. Mitondra tombontsoa ho an’ny tompon’andraikitra sy ny tanàna manontolo ny paik’ady. Anisan’izany […]
Fiaraha-miasa: hanao fanazarantena iraisana ny Tafika malagasy sy frantsay
Naneho ny fahavononany hanohana an’i Madagasikara amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa ara-tafika ny firenena frantsay. Hisy, araka izany, ny fanazarantena iraisan’ny Tafika malagasy sy frantsay… “Mitohy hatrany ny fiaraha-miasa efa nisy hatramin’izay teo amin’i Madagasikara sy Frantsa izay niato noho ny fisian’ny valan’aretina Covid-19. Zava-dehibe ny fanamafisana ny fitohizan’ny fiaraha-miasa ara-tafika izay […]
Fifanatonan’ny Ceni sy ny governemanta: efa hita soritra ny vola hiatrehana ny fifidianana
“Efa misy ny marimaritra iraisana, ary efa mifanakaiky ny fomba fijery raha ny famaritana an’io vola holaniana amin’ny fifidianana io”, hoy ny talen’ny kabinetran’ny Ceni, Andriamifidy Jean-Louis, ny amin’ny vola hoenti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika ny 9 novambra sy ny 20 desambra manoloana ny ahiahin’ny mpanao politika sasany. Mbola misy […]




