Politika

Famahana olana : nihaino ny vahoaka eny ifotony ny loholona Eddie Serge

Mametraka ny maha mpi­ahy ny vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana azy. Nidina ifotony tany Anta­nanambo Ankavanana any Antalaha, hatrany Sara­han­dra­no ny loholona Eddie Serge Fernand. Nitafa mivantana, nihaino ny olana sy ny hetahetan’ny vahoaka ny tenany. Lavitry ny tanàn-dehibe nefa mamokatra izany toerana izany ary afaka hampandrosoana an’iny faritra iny. Tafiditra tanteraka amin’ny […]

Fanehoan-kevitra : notebahan’ireo depiote i Soja Jean André

Tratry ny angaredon’ireo depiote ny mpanolontsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny fikambanana politika, Liaraike, i Soja Jean André. Mazava ny nambaran’ny depiote isany, Raholdina Naivo sy Voninahitsy Jean Eugène. Samy nitaky ny tokony hametrahan’ Atoa Kaleta fialana, tsy ho isan’ny tandapa intsony ny solombavambahoaka sasantsasany, manoloana ny fanehoan-keviny. “Tena fampiadiana […]

Fandriampahalemana : hihamafy ny fiaraha-miasa amin’ny Amerikanina

Natao teny amin’ny trano fonenan’ny masoivoho amerikanina, Claire Pierangelo, omaly, ny fankalazana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas. Nanamafisana ny fifandraisan’ireo manam-boninahitra amin’ny fitandroana filaminana Amerikanina sy Mala­gasy ary mpiara-miasa vahiny ity fahatsiarovana ny nahaterahan’ny fanjakan’i Texas ity. Ity hetsika ity, nanasongadina ny fahavononan’izy ireo hanamafy ny fiaraha-miasa amin’ny fiantohana ny fandriampahalemana […]

Ho an’ny zanak’i Fianarantsoa : miantso firaisankina sy fitoniana ny Fizafafi

“Mitondra hafatra ho an’ny zanak’i Fianarantsoa tsy ankanavaka izahay. Aoka hitandrina toy ny anakandriamaso ny firaisankina ao anatin’ny fahasamihafana isika; aoka handala ny fifankatiavana sy ny fihavanana ary ny fandeferana.” Io ny fanambaran’ny Fikambanan’ny zanaky ny faritanin’i Fianarantsoa (Fizafafi), novakin’ny filoha lefitra, Razafimandroso Au­relien, teny Ambatoroka, afakomaly, manoloana ny kabarin’ny […]