Politika

Lahatenin’ny Fizafafi: tsy faly i Soja Jean André

“Misy fitsipika ny eo anivon’ny vovonana IRD. Azo tenenina any amin’ny filohan’ny Repoblika izay notenenin’ny filohan’ny Fizafafi”, hoy ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, manoloana ny kabarin’ny filohan’ny Antenimieram­pire­nena sady filohan’ny fikambanana Fizafafi, Razana­mahasoa Christine, tany Fia­narantsoa, ny faran’ny herinandro […]

Fihaonana iraisam-pirenena – Bruxelles: hitondra fanovana eo amin’ny politika ny MMM

Navoitran’ny filoha nasionalin’ny antoko Malagasy miara-miainga, Andrianainarivelo Hajo fa anisan’ny fototra iorenan’ny antoko ny antsoina hoe “Principes” sy ny “Doctrines”. Niatrika ny fivoriana iraisam-pirenena tany Bruxelles ny tenany tamin’ity herinandro ity. “Ireo ihany no mibaiko ny atao rehetra eo amin’ny resaka politika. Ny fanapahan-kevitra, mipaka amin’ny fiainan’ny isan-to­kantrano sy ny […]

Fandriampahalemana an-dranomasina : hanome traikefa ny Tafika malagasy ny Tafika indiana

Nitsidika ny tobi-pamaharan’ny Tafika an-dranomasina Antsiranana (BANA) ny ma­soivohon’ny firenena indianina miasa sy monina eto Madagasikara, Bandaru Wilsonbabu niaraka tamin’ny delegasiona notarihiny, ny talata 28 febroary 2023. Nandray ny delegasiona ny kaomandin’ny BANA, ny capitaine de vaisseau Ra­mo­rasata Dimbiharivony Gislain, notronin’ny kaomandin’ny ZDS Ankarana, ny Jly Montrouge John Fitzgerald. Voaresaka […]

Masoivohon’i Rosia: mikendry ny fandriampahalemana any Ukraine

Manoloana ny ady any Ukraine. Mitandro ny hisian’ny filaminana maharitra any an-toerana ny masoivoho Rosianina eto Madagasikara. Mba hitandroana ny fandrianam-pirenena sy ny fandriampahalemana. Nandray fanapahan-kevitra ny masoivoho rosianina eto Mada­gasikara mikasika ny ady any Ukraine, omaly. Fa manohana ny hisian’ny fandriampahalemana feno sy marina ary maharitra any an-toerana izy […]

Razafiarison Laza : “Am-bavaloza isika amin’izao fotoana izao”

Miala nenina ? Namoaka fanambarana ny eo anivon’ny Tambaben’ny olom-pirenena nampiraisin’ny andraikitra – Tolona na ny Rassemblement des citoyens responsables fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena. “Maro ireo fihantsiana ady sy korontana hi­tranga noho ny fahasorenana sy alahelo ateraky ny tsy fisian ny rariny sy ny hitsiny intsony. Tandremo ny fihetsika […]