Politika

ZLECAF: hitondra tombontsoa ho an’i Afrika

Mikendry ny hamorona tsena tokana ahitana olona 1.3 lavitrisa, miaraka amin’ny harin-karena faobe tombanana ho 2.6 lavitrisa dolara ny “Zone de libre échange continentale Africaine” (ZLECAF). Amin’izay fotoana izay, hitambatra ao avokoa ny Comesa, ny CAE, ny Sadc, ary ny ampahany amin’ny CEEAC sy ny Cedeao. Voka-tsoa maro ho an’ny […]

Vondrona Afrikanina : nanao tatitra ny komity mpanatanteraka

Notontosaina tany Addis Abeba, ny 15 sy 16 febroary 2023 ny fivoriambe ara-potoanan’ny filankevitra mpanatanteraka eo anivon’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-42. Ny mpitantana sy tompon’andraikitry ny vaomieran’ny Vondrona Afrika­nina (UA), ny minisitra avy amin’ny firenena mpikambana ao anatin’ny vondrona, ny rantsamangaika sy ny mpanohana sy mpiara-miombon’antoka amin’ny Vondrona Afri­kanina no […]

Avi : “Tsy misy olona tampenam-bava eto”

“Afa-manohitra ny mpanohitra. Tsy misy olona tampenam-bava eto. Tsy firenena hoe mandeha amin’ny hevitra tsoa-tokana eto. Mahazo mi­teny avokoa izay te hiteny”, hoy ny filoha mpiara-mitantana ny antoko Avi, Rabetsaroa­na Sylvain, momba ny fiatrehana ny fifidianana filohan’ny Repoblika amin’izao fotoana izao. Na izany aza, mba miteny zavatra marina kosa aloha, […]

Filoha Rajoelina: “Mila filoham-pirenena tanora mahavita azy ny vahoaka”

Ao anatin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izao. “Mila filoham-pirenena tanora mahavita azy ny vahoaka”, hoy ny filoha Rajoelina tany Morarano Chrome, Amparafaravola, omaly. “Miomana ianareo, hiara-kihazakazaka isika amin’ ny fitokanana an’io RN 44 io mba hampisehoana fa matanjaka ny filohanareo. Raha misy hifaninana, andao hatao fa izaho no voalohany. Mila […]

Kraomita Malagasy: naiditra am-ponja ny tompon’antoka tamin’ny fandrobana

Taorian’ny fandrobana sy fakàna ny fananan’ny orinasa Kraomita Malagasy tao Brieville-Tsaratanana, naiditra am-ponja vonjimaika ao Ambatondrazaka ilay tale iray eo anivon’ny faritra Be­tsiboka voalaza fa tompon’antoka tamin’ny fandrobana ny orinasa. Isan’ny nofonjaina miaraka aminy ihany koa ny mpamiliny. Raha tsiahivina dia ny faran’ny volana janoary 2023 no nahatrarana ireo fitaovana […]