Politika

Etamazaoron’ny tafika: « Adidintsika ny fambolen-kazo »

Novolen’ny tafika avy eo anivon’ny Etamazaoro telo eo anivon’ny foloalindahy zana-kazo ny tany mirefy 2 Ha tao amin’ny fokontany Antsaha­maro, kaominina Talata-Vo­lonondry, distrikan’Antana­narivo Avaradrano, omaly. “Adidintsika ny mamboly ha­zo”, hoy ny lehiben’ny Eta­ma­zaoron’ny Tafika, Jly Sa­hivelo Lala Monja, teny an-toerana. Anatin’ny fanantanterahana ny velirano fahafolon’ny filoham-pirenena, zana-kazo mitotaly 5 000 no […]

Vondrona Afrikanina : manomboka anio ny fivoriambe faha-36

Tontosaina ao Addis Abeba, Ethiopie, ny fivoriamben’ny firenena ao ana­tin’ny Vondrona Afrikanina. Ny 18 sy 19 Febroary 2023 no hanaovana ny fivoriana. Filoham-panjakana sy lehibena governemanta avy amin’ ny firenena mpikambana no ho avy hanatrika izany. Man­dray anjara amin’izany ny firenena malagasy amin’ny alalan’ny delegasionina tarihin’ny filoham-pirenena, Andry Rajoelina. Hifandinika […]

Firaisamonina sivily : “Mila hatsangana ny filankevitra fampandrosoana CESC “

Efa taona maromaro no nikaondoha ny firaisamonina sivily ny amin’ny tokony hananganana amin’izay ny Filankevitra ara-toekarena sy sosialy ary ara-kolontsaina (CESC), araka ny And. 105 ao amin’ny lalàmpanorenana. Niaraka tamin’ny mpisehatra rehetra ry zareo ta­min’izany. Eo ny ny avy amin’ny fanjakana, mpandraharaha, na sendikà… Nisy àry ny atrikasa teny Anta­ni­na­renina, […]

Fifindra-monina an-tanàn-dehibe: tokony hanana paikady ny mpitantana

Mirongatra ny fifindra-monina, indrindra ny an-tanàn-dehibe, ankehitriny. Antony maro no mahatonga izany. Manerantany izany tranga izany fa tsy ny eto Madagasikara ihany. Tontosa omaly, teny amin’ny Lapan’ny Ta­nà­nan’Antananarivo, ny fitsidihana ara-pombam-pifanajana ny tompon’andraikitry ny tananan’An­ta­nanarivo, nataon’ny talem-paritry ny OIM aty amin’ny faritra Atsimon’ny Afrika, Ashraf El-Nour. Ny anton’ny fifindramonina, ny […]

Kaominina Toamasina : tsy afa-po amin’ny asa ny mponina

Mahatratra 2015 ireo mpiasa eo anivon’ny kaominina am­bonivohitra Toamasina. Mi­tsin­jara 1117 ireo mpiasa tsy raikitra, miisa 898 ny mpiasa raikitra. Mitaraina sy milaza fa tsy afa-po amin’ny asa voaray ny ankamaroan’ny mponina. Nilaza izy ireo fa mahatratra 30.000 Ariary ny vola omanina vao mahavita sora-piankohonana ao amin’ny kaominina. « Mbola […]