“Teo lalandava ny antoko Vonjy iray tsy mivaky hatramin’izay”, hoy ny filoha nasionalin’ny Vitm, Razanabahiny Christian, ny amin’ny fankalazana ny faha-50 taonan’ny antoko tarihiny. Manao ny fanaovazana ny fanehoam-pisiana isan-taona eny anivon’ny minisiteran’ny Atitany ny antoko, ary mpikamban’ny International socialiste (IS). Tamin’ny taona 1973 no niorenany, nifandraika tamin’ny raharaha 1972-1973. […]
Politika
Andriamalazaray Andoniaina : “140 miliara Ariry no enti-manana ny fifidianana”
“Ny fifidianana filohan’ny Repoblika hatao amin’ny 9 novambra ny fihodinana voalohany ary amin’ny 20 desambra ny fihodinana faharoa, heverinay fa tokony hanokanana vola 140 miliara Ar any ho any”, hoy ny filoha lefitra voalohan’ny Ceni, Andriamalazaray Andoniaina, momba ny vola enti-manana ny fifidianana filohan’ny Repoblika fihodinana voalohany sy faharoa. Heverin’ny […]
Fivoriamben’ny UA: mila fandriampahalemana i Afrika
Tontosa ny 18 sy 19 febroary 2023 teo, tao Addis Abeba, ny fivoriamben’ny Vondrona Afrikanina, andiany faha-36. Ny krizy misy eo amin’i RDC sy Rwanda, ny fanonganam-panjakana ao Afrika Andrefana ary ny fanovana teo anivon’ny Vondrona Afrikanina no isan’ny nodinihina tao. Ankoatra ny filoham-panjakana sy lehibena governemanta eto Afrika, tonga […]
Maka Alphonse: “Be loatra ny fihatsarambelatsihy eto amintsika”
Naneho ny heviny manoloana ny toe-draharaham-pirenena, ankihitriny, i Maka Alphonse. «Be loatra ny fihatsarambelatsiny eto amintsika», hoy izy. “Mbola averiko ihany: be loatra ny fihatsarambelatsihy amintsika. Tena tsy misy finiavana hoe hijery ny hoavin’ny firenena”, hoy ny filohan’ny Conseil du Fampihavanana Malagasy (CFM) teo aloha, i Maka Alphonse, manoloana ny […]
Minisitry ny fitsarana : nitsidika ny fonjaben’Ambalatavoahangy
Tao Toamasina no nanohizan’ny minisitry ny Fitsarana, Rakotozafy François, ny fidinana ifotony ho fanomanana ny fanokafana ny fotoam-pitsarana 2023, afakomaly. Notsidihan’ny delegasiona avy amin’ny minisiteran’ny Fitsarana sy ny Fitsarana tampony ny fonjaben’Ambalatavoahangy. Fankaherezana ireo voafonja, fanazavana ny fanalefahan-tsazy ary dinikasa niarahana tamin’ireo mpandraharahan’ny fonja ao an-toerana no natao. Ny tolakandro, […]




