“Tsy miady na amin’iza na iza izahay ben’ny Tanàna, fa izay olona vonona hitarika fampandrosoana amin’ny faritra Bongolava no iarahanay. Tsy miady amin’izay olona apetraky ny filohan’ny Repoblika izahay.” Io no nambaran’ny mpitondra tenin’ny fikambanan’ny ben’ny Tanàna, faritra Bongolava, ny ben’ ny Tanànan’i Bemahatazana izay 16 taona nitantana kaominina, Ramarosona […]
Politika
Rajaonarimampianina ho kandidà: miandry kongresin’ny HVM
“Misy rafitra mifehy ny antoko. Ny kongresy izany. Manaja ny rafitry ny antoko ny filoha Rajaonarimampianina filohan’ny antoko. Andrasana amim-pitoniana ny filazana izay fanapahan-kevitry ny kongresy izay”, hoy ny mpandrindra nasioanalin’ny HVM, Rakotovao Rivo, omaly, ny amin’ny firotsahan’ny filoha teo aloha hofidina filohan’ny Repoblika indray na tsia. “Miandry isika rehetra […]
Minisitry ny Serasera : “Manana andraikitra goavana amin’ny fifidianana ny radio”
Mafanafana ny tontolo politika sy ny serasera ao anatin’izao zotram-pifidianana izao. Manana andraikitra goavana amin’izany ny radio, araka ny nambaran’ny minisitry ny Serasera sy ny kolontsaina. “Hiankinana andraikitra goavana isika amin’ity taona 2023 ity amin’ny maha fotoam-pifidianana azy. Amin’ ny alalan’ny radio no halalan’ny olom-pirenena ny fizotran’ny fanomanana sy ny […]
Depiote Ratafika : “Aoka hohajaina ny lalàna “
“Be dia be ny zavatra takin’ny mpanohitra amin’izao. Ohatra amin’izany ny fidirana ao anatin’ny rafitra fitantanana fifidianana. Tsy misy mandà an’izay, saingy mila fantarina fa tany misy lalàna sy tan-dalàna i Madagasikara”, hoy ny depiote IRD, Ratafika, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra sasany hiditra ao amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleo tena misahana ny […]
Fananganana ny ZLECAF : handray anjara amin’ny fivorian’ny vondrona Afrikanina i Madagasikara
Hontosaina ny asabotsy 18 Aprily hatramin’ny Alahady 19 Aprily 2023, ny fihaonana an-tampon’ny filoham-panjakana sy ny lehibena governemanta avy amin’ireo firenena mikambana ao anatin’ny vondrona Afrikanina. Ao Addis-Abeba, Ehiopie, no hanatanterahana ity fivoariana ity. Fivoriana izay miditra amin’ ny andiany faha -36. Lohahevitra nosafidiana tamin’ity taona ity ny fanafainganana ny […]




