Notanterahina teny amin’ ny Park Analamanga, Ampangabe, ny zoma 10 febroary 2023, ny lanonana fifampiarahabana nahatratry ny taona, ho an’ny mpiasa sy tompon’ andraikitra eo amin’ny faritra Analamanga. Tanjona ny fampiraisana sy ny fampiombonana bebe kokoa ny mpiasa sy tompon’andraikitra, hampandroso sy hahatsara ny faritra Analamanga. Niantso sy nanentana ny […]
Politika
Antoko Maintso : mangataka ny filoha Rajoelina hirotsaka ho fidiana
“Miantso ny filohan’ny Repoblika ankehitriny, Rajoelina Andry, ny antoko Maitso mba hirotsaka indray ho kandidà amin’ny fifidianana filohan’ny Repoblika hotanterahina tsy ho ela”, hoy ny fanambaran’ ny antoko Maitso hasin’i Madagasikara teny Antaninarenina, omaly. Manasa ireo mpanao politika hiomana amin’ny fiatrehana ireo fifidianana hifanesy ny antoko: manamafy ny fototra, manabe […]
Vovonana Gasy Leo : mitaky Tetezamita roa taona hamahana ny olana
Hafa mihitsy ? Naneho ny heviny, manoloana ny raharaham-pirenena ny eo anivon’ny Vovonana Gasy Leo. Notebahan’izy ireo tamin’izany ny fitondrana sy ny mpanohitra. Anisan’ny notanisain’izy ireo tamin’izany ny tsy fananan’ny fanjakana vola ho amin’ny fifidianana sy ny tsy fahafehezana ny fitantanan-draharaham-panjakana. Ny ampihimamba eo amin’ny toekarena, ny kolikoly sy ny […]
Loholona Manasoa Donat Tang : “Aleo hamita ny asany ny filoha”
“Omena malalaka hanapitra ny fe-potoam-piasana nomen’ny vahoaka azy. Ny dimy taona iasany omen’ny lalàmpanorenana azy. Aleo ny filohan’ny Repoblika hiasa ankalalahana.” Io ny fanehoan-kevitry ny loholona voafidy tany amin’ny faritan’i Toamasina, i Manasoa Donat Tang. Lavin-dry zareo ny fomba mbola hieritreritra hoe hanao fitondrana Tetezamita aty amin’ny fotoana amaramparanana ny […]
Antoko Tim : “Hiaraha-manomana ny fifidianana”
“Aoka tsy omanina irery ny fifidianana. Andao hiara-manomana ny fifidianana ny mpiantsehatra rehetra”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Tim, Rina Andriamasinoro, teny amin’ny Ceni, Alarobia, afakomaly. Taorian’ ny fihaonan’ny antoko tamin’ny birao maharitry ny Ceni no nanaovany ny fanambarana. Mba hialana ny mety ho olana rahampitso sy rahafakampitso ny amin […]




