“Eo amin’ny hoe kandidàm-panjakana sy ny kandidà tsotra no tena olana amin’ny vanim-potoana mialoha ny fampielezan-kevitra izay tsy misy lalàna mifehy azy”, hoy ny filohan’ny Cellule de moralisation de la vie publique – Sehatra ametrahana fitoniana iombonan’ny daholobe (CMVP-Safid), Randriamalala Robert Charly. Manana tombondahiny kokoa ny kandidàm-panjakana noho izy manana […]
Politika
Fitantanana ny diosezin i Mahajanga: nanome lesona momba ny fihavanana ny eveka Zygmunt
Napetraka eo amin’ny fiketrahana maha evekan’i Mahajanga azy ny Mgr Zygmunt Robasckiewicz. Notanterahina tao amin’ny katedralin’i Mahajanga izany, omaly. Nivoitra tamin’ny teny fampianarany ny momba ny fihavanana sy ny fifandraisana. Niainga amin’ny soratra Masina ny toriteniny : “… Mandehana mihavana amin’ny namanao vao miverina manolotra ny fanatitra…”. Nambarany fa ilaina […]
Antoko Malagasy miara-miainga: “Avoahy koa ny datim-pifidianana ben’ny Tanàna”
Niarahaba ny Ceni tamin’ny namoahana ny tetiandrom-pifidianana filoham-pirenena ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, omaly. Nambaran’izy ireo fa dingana iray lehibe ahafahana miroso any amin’ny fikarakarana ny fifidianana ho antoky ny fitoniana sy fanamafisana ny demokrasia izany. Nahitsy anefa ny MMM. “Tsy mbola feno ny tetiandro. Tokony hatao amin’ity taona […]
Vovonana Miaradia Diaspora : “Hizara traikefa sy hanampy ny traboina izahay”
Noraisin’ny filohan’ny Antenimierandoholona, Razafimahefa Herimanana, tetsy Anosy ny Vovonana miaradia “Miaraka amin’i Andry Rajoelina – Diaspora”, afakomaly. Namelabelatra ny foto-keviny sy ny tanjony ary ny hanampiana ny firenena sy ny vahoaka ny birao, ny Dr Rakotoniaina Zo. Nambarany fa eo am-pandinihana ny fanampiana ho an’ny mpiray tanindrazana traboina izy ireo. […]
Fanomanana ny fifidianana: miantso fifampidinihana maika ny RDS
Namoaka fanambarana ny antoko RDS, tarihin-dRakoto Andrianiriana Fetison, ny 6 febroary teo. Nanentana ny Ceni izy hampiantso ireo mpisehatra rehetra momba ny fifidianana. “Aoka isika hifampidinika ao anan’ny fe-potoana faran’ ny haingana. Maika izao raharaha izao, ka tsy azo hanjehena ny andro ho lava », hoy izy. Tanjon’ny dinika ny […]




