Politika

Fitantanana eny ifotony: hofanina ireo vehivavy ben’ny Tanàna

Haharitra hatramin’ny rahampitso ny fanofanana ireo vehivavy ben’ny Tanàna, etsy Amparibe. Tafiditra amin’ny fiofanana ny fitantanana sy ny vola eny anivon’ny kaominina. «Miainga amin’ny zava-misy eo anivon’ny kaominina ny fanofanana. Ani­san’izany ny momba ny fitantanana ny mpiasa, ny fampidiran-ketra, ny tetibola sy ny fandaharanasa», hoy ny tale jeneralin’ny Ivontoeram-pirenena ho […]

Fakan-kevitry ny Ceni : tanjona ny fifidianana milamina

Ny dingana vita amin’ny fanatanterahana ny fanavaozana tanteraka ny lisi-pifidianana, fampahafantarana momba ny tetiandrom-pifidianana, la­fin-javatra samihafa momba ny zotram-pifidianana… Ireo no hakan-kevitra sy hifampizarana amin’ny fihaonan’ny Ceni amin’ireo mpisehatra amin’ny fifidianana, eny Alarobia, rahampitso. “Samy nantsoina na ny avy amin’ny fitondrana na ny avy amin’ny fanoherana. Eo koa ny avy […]

Solontena manokan’ny UA : “Antoky ny fampandrosoana ny fitoniana politika”

“Antoky ny fampandrosoana maharitra an’i Madaga­sikara ny fitoniana politika. Tomponandraikitra amin’izany avokoa ny mpisehatra politika sy ny olom-pirenena rehetra”, hoy ny solontena manokan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto Madagasikara, i Hawa Ahmed Youssouf, tamin’ny fitsidihana fanaovam-beloma ny filohan’ny Re­poblika, Rajoelina Andry, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, omaly. Mifarana ny fe-potom-piasany, izay nanomboka […]

Rabekijana Félix : “Tsy ilaina fa famotehana firenena hatrany ny fitondrana Tetezamita”

Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao, mitaky ny hanaovana fikaonandoham-pirenena hidirana amin’ny fitondrana Tetezamita ny mpanohitra sasany. Maneho ny fijeriny ny filoha lefitra nasionalin’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena, Rabekijana Félix: “Famotehana firenena hatrany ny Tetezamita. Efa nitranga teto amin’ny firenena izany tamin’ny 1972, 1991, 2002, 2009.” Dinidinika… Gazety Taratra (*): Te­na ilaina […]

Lisitry ny mpifidy: mandalo dingana ny fitsirihana

Fandinihana ny rindrambaiko sy ny asa amin’ny fikirakirana ny antontam-baovao, ohatra, fandinihana ny fisoratana anarana isaky ny fari-pifidianana, fandinihana ny fifanarahana ankapobeny ny mombamomba ny mpifidy voasoratra anarana… Ireo no anisan’ny dingana voalohany amin’ny fanaovana fitsirihana ny asa amin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy sy ny rejistry ny lisi-pifidianana […]