“Ny nivorianay tao: nilamina ny anay mianadahy, izaho sy ny filohan’ny Antenimierampirenena. Misy ny fifankahazoana. Nifanazava sy nifamela izahay”, hoy ny fanazavan’ny mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika sady filohan’ny antoko Liarake, i Soja Jean André na i Kaleta, ny amin’ny fihaonana teo aminy sy ny filohan’ny Antenimierampirenena sady filohan’ny fikambanana Fizafafi, […]
Politika
Fidirana ho mpikamban’ny Ceni : tsy mbola mipetraka ny lalàna…
“Tsy mbola misy lalàna manome lanja na hasina an’izay fitakian’ny mpanohitra izay. Koa tsy hita izay hampiharana azy”, hoy ny mpampakatenin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, manoloana ny fitakian’ny mpanohitra hiditra ho anisan’ny mpikamban’ny Ceni amin’ny fikarakarana fifidianana. Ndeha àry hoekena, ohatra, izay fitakiana izay amin’izao, antoko politika 200 […]
HVM : “Misy tokony hohatsaraina ny lalàm-pifidianana”
“Izay hatrany no noresahina hatramin’izay. Misy zavatra tokony hohatsaraina ao. Misy tokony hojerena amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana, ny fomba hanatanterahana azy, ny fangaraharana amin’ny vola… “, hoy ny mpandrindra nasionalin’ny antoko HVM, Rakotovao Rivo, nampahatsiahy ny fihaonana teny Iavoloha, tamin’ny faran’ny herinandro, teo amin’ny solontenan’ny Vondrona afrikanina (UA) eto […]
Fifidianana ben’ny Tanàna : mitaky ny hanajana lalàna ny MMM
Nandefa taratasy fampahatsiahivana any amin’ny praiminisitra ny eo anivon’ny antoko Malagasy miara-miainga, ny faran’ny febroary teo. Hentitra sy nahitsy ny fitakian’izy ireo ny amin’ny tokony hanarahana ny lalàna. Niantso ny governemanta izy ireo hanao ny hahatomombana ny amin’ny famatsiam-bola hiatrehana ny fifidianana eny anivon’ny kaominina, amin’ity taona ity. Voalazan’ ny […]
Fanahiana krizy politika : miantso fikaonandoha maika ny firaisamonina sivily
Namoaka fanambarana, omaly, ireo eo anivon’ny fiarahamonina sivily. Nivoitra tamin’izany fa efa anatin’ny taom-pifidianana isika izao. Nametraka ny ahiahiny anefa izy ireo fa tsy ho azo antoka ny ho fizotr’izany. “Manaitra ny manampahefana sy ny besinimaro ny firaisamonim-pirenena momba ny tokony hanatanterahana maika ny fifanakalozan-kevitra. Iaraha-mahalala fa mbola tsy afaka […]




