Politika

GMMAR : mila angaredona ny fanohanana ny Filoha Rajoelina

Manoloana ny antso avo nataon’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry, amin’ny tokony hanambarana ny hery, dia nanao fanambarana ny eo anivon’ny « Groupe Mamy Jô Miaraka amin’i Andry Rajoe­lina» na ny GMMAR. Ma­namafy hatrany ny fanohanany ny Filoha amperinasa ny mpikambana, tarihin’Atoa Ranarison Maminirina Clarys na i Mamy Jô. «Mitaona sy manentana ny […]

Nosy Faly: mijoro ny Vondron’ny tanora ifotony

Mijoro ara-dalàna ao Antafiambotry, Nosy Faly, distrikan’Ambanja, faritra Diana, ny Vondron’ny tanora ifotony (VTI) mikatsaka fampihavanana sy fanorenana ifotony ho amin’ny fampandrosoana maharitra. Tanteraka izany taorian’ireo fankalazana telo sosona tany an-toerana tamin’ny 12,13,14 aogositra 2022: fidirana ny “mosquée” nohavaozina, sy fanaovana joro ara-pirazanana, ary fitsofandrano ny ivontoerana fandraisam-bahiny sady fampiofanana […]

Jly Rakotonirina Léon Richard : “Manana ny maha izy azy ny diplaomasia malagasy”

“Ny ezaka voalohany ataontsika dia ny fametrahana ny atao hoe diplaomasia malagasy hamiratra kokoa. Mba fantatra bebe kokoa manerana an’izao tontolo izao i Madagasikara, ary ny fandraisan’i Madagasikara andraikitra koa manoloana ny fiarahamonina iraisam-pirenena”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny mpisolo toerana vonjimaika, ny jeneraly Rakotonirina Léon Ri­chard, teny Anosy, afakomaly, […]

KMF/Cnoe: “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”

Adihevitra amin’izao ny amin’ny tetibola hanatanterahana fifidianana amin’ity taona ity. Ampy sa tsia? “Mila hazavain’ny governemanta sy ny Ceni ny tetibolan’ny fifidianana”, hoy ny eo anivon’ny KMF/Cnoe Fanabeazana olom-pirenena. “Mora ny miteny hoe atao avo telo na efatra heny ny tetibolan’ny fifidianana. Tsy any ny olana. Tokony hohazavain’ny governemanta ny […]