“Zavatra roa nodinihinay tao. Voalohany, ny fanambarana navoakan’ny fitondram-panjakana malagasy milaza fa tsy miova ny toeran’i Madagasikara. Izany hoe tsy miandany atsy na aroa”, hoy ny minisitry ny Raharaham-bahiny, i Sylla Yvette, taorian’ny fitsidihana ara-pomba fifanajana nataon’ny ambasaodoron’i Rosia azy, teny Anosy, afakomaly. Voaresaka tamin’ izany ny momba ny fehin-kevitra […]
Politika
Fikaonandoham-pirenena : hikarakara ny FFKM, hoy ny CMT
Misoko mangina. Tsy azo ihodivirana ny hirosoan’ny FFKM amin’ny famoriana ireo zanany, araka ny tetiandro efa napetrak’izy ireo. Nanamafy izany ny eo anivon’ny mpikarakara ny fikaonandoham-pirenena. “Nitady rafitra iray isehoan’ny tsy fombana ny atsy na aroa hikarakara fikaonandoham-pirenena no dingana natao. Ny FFKM no neritreretinay tamin’izany. Nanao antso tamin’ny FFKM […]
Fahasalamana sy ny 8 marsa : Raikitra ny hetsika “Sarobidy ny aiko”
Hiova tsy ho tahaka ny mahazatra. Natsidiky ny minisitry ny Mponina, Soafilira Princia, miaraka amin’ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, ny Pr Andriamanantany Zely, tetsy amin’ny HJRA, omaly, ny hanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny vehivavy. Tafiditra ao anatin’ny hetsika ny fitsaboana mitety vohitra :”Fanabeazana ny ankizivavy, fizakan-tenan’ny vehivavy, antoky ny fampandrosoana […]
Fitsinjaram-pahefana miabo : hiainga amin’ny filàna eny ifotony ny fampandrosoana
Nambaran’ny tale jeneralin’ny Fitsinjaram-pahefana, Rabetahiana Pascal Pierrot fa efa vita avokoa izao ny fakan-kevitra natao teny anivon’ny faritra 23, momba ny fitsinjaram-pahefana miabo. “Nalaina ny hevitry ny vahoaka ka nanaovana ny atrikasa. Homena fahefana feno ny eny ifotony manomboka izao ho amin’ny politikan’ny fampandrosoana”, hoy izy. Nanteriny fa novolavolaina ho […]
Antoko Fiombonana: “Tsy hisy fahagagana”
“Tsy afa-kanao fahagagana ny mpikambana vitsivitsy eo anivon’ny governemanta vao nandray ny asany, andro vitsivitsy lasa izay”, hoy ny sekretera jeneralin’ny antoko Fiombonana, i Durlin Retogniane. Sarotra ny inoana fa hitondra fiovana be eo amin’ny fiainam-pirenena ny fanoloana mpikambana sasantsasany eo anivon’ny governemanta, na niteny aza ny minisitry ny Serasera […]




