Politika

FANTINA sy FINTINA

“Tsy mety intsony hoe izao no mbola hifampidinika”, hoy ny filohan’ny Antenimierandoholona, ny Jly Ravalomanana Richard, ny faran’ny herinandro teo. Tsy any amin’ny hoe mila fifampidinihana sy fiaraha-mitan­tana izany izao. Efa voafidy ny filohan’ny Repoblika ary efa voatendry ny Praiminisitra. Aleo hanao ny asany araka ny tokony ho izy ry […]

Kardinaly Tsarahazana Désiré : “Ialao ny fihatsarambelatsihy

Ho an’ny rehetra ny hafatra? “Ialana ny fihatsarambelatsihy, ialana io kabary tsara lahatra io. Fa mba ho hita taratra marina ary hita eo amin’ny fiainana ny fandrosoana, ny fifankatiavana marina”. Izay no anisan’ny anjara fitenenan’ny kardinaly sady arsevakan’ny diosezin’i Toamasina, ny kardinaly Tsarahazana Désiré, nandritra ny sorona masina notarihiny tany […]

Fifanaraham-piaraha-miasa: hitsidika an’i Guinée-Bissau ny filoha Rajoelina

Taorian’ny fitsidihana nataony tany Frantsa, izay nihaonany tamin’ny filoha frantsay Emmanuel Macron sy nanatrehany ny lanonam-panokafana ny lalao Olympika dia manohy ny diany any amin’ny kaontinanta afrikanina indray ny filoha Rajoelina Andry. Manomboka ny fitsidi­hana an’i Afrika izay tanterahin’ny filoha Rajoelina Andry. Andrasana anio folakandro ao Bissau, renivohitr’i Guinée-Bissau, izy […]

FANTINA sy FINTINA

Nodimandry teo amin’ny faha-78 taonany, afakomaly, ny mpanao politika Soja Jean André na Kelata. Filoha mpanangana ny antoko politika Liarake izy, ary mpanolotsaina manokan’ny filohan’ny Repoblika nanomboka tamin’ny taona 2022. Efa loholona sy mpikamban’ny Filankevitra ambonin’ny tetezamita (CST) koa izy, ary mpandraharaha eo amin’ny sehatry ny fizahantany. Ao anatin’ny fankalaza […]

Fifidianana kaominaly: nahemotry ny Ceni amin’ny 11 desambra ny daty

“Mifantoka ao anatin’ny tontolon’ny fifidianana ben’ny Tanàna sy mpanolotsain’ny Ta­nàna ny resaky ny mpisehatra politika. Nisy ny ny volavolan-kevitra naroson’ny Ceni ny governemanta ny amin’ny tokony hanatanterahana izany amin’ny 6 novambra”. Io ny fanazavan’ny mpampakate­nin’ny Ceni, Andriamarotafika Soava, teny Alarobia, omaly, momba ny fanatanterahana fifidianana kaominaly. Nisy ny taratasy nampi­tain’ny […]