Tsy mankasitraka ny firotsahan-kofidian’ireo manana andraikitra eto amin’ny firenena ny depiote voafidy ao Arivonimamo, Rajerison Antoine. Nambarany fa tsy mety sady tsy azo antoka izany. «Tokony hilaza mazava izy ireo na ho kandidà na tsia sao ahina hiteraka krizy hafa eto indray», hoy izy. Tokony hivoaka aorian’ny fikaonandoham-pirenena ny datim-pifidianana, […]
Politika
Fitorian’ny depiote Rajerison Antoine : Andrasana ny valin-teny avy amin’ny HCC
Miandry ny valin’ny fitoriana napetrany eny amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC), ny depiote Randriamampianina Rajerison Antoine, voafidy tao Arivonimamo, avy amin’ny tsy miankina. Anton’izany fitoriana izany ny fitantanana ny raharaham-panjakana sy firenena ataon’ny Fitondrana Fanavaozana amin’izao fotoana izao. «Tsapantsika ireo fihoaram-pefy sy fandikana ny Lalàmpanorenena ataon’ny fitondra ankehitriny. […]
Fanonganam-panjakana : Nahitana volabe tany amin-dRabary Paul sy Rakotoniaina Yves
Niakatra teny amin’ny fampanoavana, Anosy ny zoma teo ny raharaha fikasana hanakorontana sy fanonganam-panjakana. Voarohirohirohy amin’izany, Rakotoniaina Yves Maurice sy Rabary Paul. Nambaran’ny tonia mpampanoa lalàna voalohany, Ramanantsoa Nomenarinera Mihamintsoa fa naiditra vonjimaika eny amin’ ny fonjan’Antanimora, ny minisitra teo aloha sady mpitarika ny antoko ny fireneko, Rabary Paul raha […]
FANTINA sy FINTINA
Betsaka ireo fitsabahana ataon’ny fahefana mpanao lalàna, toy ny Antenimierampirenena amin’ny fanapahan-kevitra raisin’ny fahefana mpanatanteraka, araka ny nambaran’ny eo anivon’ny sendikà mpandraharaha ny fonja, ny sekretera jeneraly, Razafiberison Mohamed. « Tsy mbola voahaja araka ny tokony ho izy ny fisarahan’ireo fahefana », hoy izy. Mijoro ara-dalàna ny fiangonana Home church Madagasikara, araka […]
Fikaroham-bahaolana : Raikitra ny fikaonandohan’ny FFKM
Hanomboka ny 18 hatramin’ny 21 mey izao ny fikaonandoha hotarihin’ny eo anivon’ny FFKM. Lohahevitra maromaro no anisan’ny hodinihina amin’izany. Nanentana ny rehetra, araka izany, ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona, ho avy hanatrika sy hanotrona ny fanokafana ilay fihaonambe sy fikaonandoha hotarihin’ireo filoham-piangonana. Hotanterahina eny amin’ny FJKM Ankadikely […]





